• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Justifit
Image
Vaovao

Fisolokiana : Tanora maro karohina

03/01/2023 10:12 © Midi Madagasikara

Mihatanora ireo mpisoloky. Ankoatra ny hita sy heno amin’ny andavanandrom-piainana, ity afisy navoakan’ny polisy ity dia manamafy izany. Amin’ny olona valo izay ao anatin’izany, ny fito amin’ireo dia tena tanora izay vao erotrerony. Fampiasana taratasy hosoka izay nahafahana nahazo vola tamin’ny soloky, raha araka ny fanazavan’ny polisy no antony hikarohana azy ireo. Izany hoe, nanjavona rehefa nahavita ilay asaratsy. Raha noheverina fa asan’ireo efa galifantsy ity karazana asaratsy ity teo aloha, tsikaritra avy amin’ny filazàna fikarohana ataon’ny mpitandro ny filaminana fa mihena ny taonan’ireo voakasik’izany ary tsy mifidy saranga ny fisolokiana. Ny mampametra-panontanina dia ny hoe mba hahavita ny fiainan’izy ireo mandritry ny fotoana ela ve ny vola azo sa dia ho lany fotsiny any amin’ny toerana hiafenana any? Efa iaraha-mahalala anefa amin’ny toe-javatra toa itony fa vao mivoaka masoandro ka misy mahita dia avy hatrany dia any am-ponja rehefa vita ny fitsaràna. Raha ny tsikaritra koa dia toa tsy matahotra ny mifonja intsony ny olona sasany rehefa mangala-bola. Antony iray dia matetika ny olona izay tompom-bola no tsy te-hifandrirotra eny amin’ny fitsaràna ka manaiky raharaham-pihavanana amin’ny famerenam-bola. Matetika anefa dia eny ampovoamboany eny dia efa tsy voaloa ny vola dia lasa mifampitakitaky sy mifanambaka eny hatrany. Antony faharoa, mipetraka ao an-tsain’ny olona sasany ny hoe rehefa mahazo volabe amin’ny halatra dia afaka ny manao kolikoly sy mividy ny fanapahan-kevitry ny manam-pahefana. Toe-javatra izay indrisy fa mety mitombina indraindray kanefa kosa rehefa sendran’ny olo-marina dia tsy maintsy migadra ihany.

Lire la suite

Articles Similaires