• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pixabay
Image
Vaovao

Manadio kibo : Torohevitra mahasalama aorian'ny fety

02/01/2023 20:47 © Moov.Mg

Vita izay ny fety telo sosona teto Madagasikara : krismasy, faran'ny taona 2022, taombaovao 2023. Azo antoka tokoa fa samy nankafy ireo hanim-pitoloha isan-karazany na ny kely na ny lehibe. Mba isorohana ny fiantraikan'izany amin'ny fahasalamana, ireto misy torohevitra vitsivitsy

  1. Misotroa rano 1,5 hatramin'ny 2 litatra isan'andro. Tsara raha ajanona ireo zava-pisotro misy akora simika sy misy alikaola. Aza adino ny misotro ranom-boankazo ;
  2. Ahenao ny fihinanana matsiro sy matavy. Ataovy rony somary matsatsotsatso ny laoka. Legioma no atao betsaka ;
  3. Raha mbola te hihinana hena, safidio ny manatono izany ;
  4. Raha nihinana sakafo misy hazan-dranomamy na hazan-dranomasina, misotroa ranom-boankazo azo avy amin'ny voasary makirana. Tsara raha tsy asiana siramamy ;
  5. Manaova fanatanjahan-tena. Mifohaza maraina mihazakazaka kely sady mifoka rivotra madio.

Raha tsapanao fa misy tsy metimety ny fahasalamanao, manantona avy hatrany toeram-pitsaboana. Fadio ny manao dokotera tena ka mihinana ireo fanafody mahazatra na nety tamin'ny hafa.

Lire la suite

Articles Similaires