• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov_Vaovao
Image
Vaovao

Tsy fandriam-pahalemana eto andrenivohitra : 47 ireo olona voasambosambotra tao anatin’ny roa andro

02/01/2023 07:12 © Midi_Madagasikara

Na teo aza ny fisian’ireo mpitandro ny filaminana maro niparitaka nitandro ny filaminana ny andron’ny 31 desambra 2022 sy ny 01 janoary 2023 dia nisy ihany ireo tranga na asan-joilahy niseho teny rehetra teny.

Raha ny teto amin’ny Faritra Analamanga manokana dia nahatratra 2021 no isan’ireo pôlisy naparitaka nandritra ireo andro roa ireo. Nanao ny ainy tsy ho zavatra tokoa ireto farany raha oharina amin’ny vokatra azo ka navoakan’ny avy amin’ny sampan-draharahan’ny serasera eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminanm-bahoaka omaly. 47 ireo olona voasambotra noho ny asa ratsy isan-karazany. 01 tamin’ireo no tratra noho ny halatra miharo vaky trano, 02 kosa nanao asa fanendahana. 14 ireo tratra noho ny halatra tsotra.

Mikasika ireo fandikan-dalàna hafa kosa dia olona 16 no nosamborina vakatry ny hamamoana an-dalam-be. Isan’ny asa sahanin’ny polisy ihany koa ny resaka fifamoivoizana, Fantatra ary fa lozam-pifamoivoizana 06 no niantsoroan’ny polisy io roa andro io ka ny 01 tamin’izany no namoizana ain’olona. Tsiahivina fa ny alin’ny 31 desambra dia nisy ny fidinana an-dalam-be nataon’ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena nanara-maso sy nakahery ireo polisy misehatra eny an-kianja eny teto Antananarivo.

T.M.

Lire la suite

Articles Similaires