• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov_Vaovao
Image
Vaovao

Fidorohana rongony mahery vaika : Mpanakanto malaza iray sy ny namany nadoboka am-ponja

01/01/2023 03:45 © Midi Madagasikara

Tsy nahasarona ny fandikan-dalàna nataony ny naha-olo-malaza ity mpanakanto iray ity. Tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana, niaraka tamin’ny rongony mahery vaika fantatra amin’ny anarana hoe « méthamphétamine » izy sy ny namany, teny amin’iny faritra Talatamaty iny.

Raha ny angom-baovao azo, nahatratra teo amin’ny olona fito teo ho eo no voatery nosamborin’ireo mpitandro filaminana ny harivan’ny alarobia lasa teo, noho ny resaka fanaparitahana sy fandraisana zava-mahadomelina mahery vaika. Anisan’ireo voasambotra sy nampikarina tao anatin’ny fiaran’ireo mpisambotra, tamin’izany ny mpanakanto tanora malaza iray. Samy nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny mpitandro izy ireo nanaovana fanadihadiana.

_Ny loharanom-baovao azo hatrany no nahafantarana fa tra-tehaka sy tsy afa-niala intsony teo am-pandraisana izany rongony mahery vaika izany ity olo-malaza sy ny namany ity. Mbola hita tao amin’ny trano nisamborana azy ireo, araka ny vaovao azo hatrany, ny fitaovana isan-karazany fihinanan’izy ireo izany rongony izany, toy ny « briquet » sy ireo karazana tavoahangy kely, mitovy endrika amin’ny « shisha » miisa dimy. _Ankoatry ny fitaovana, raha ny fantatra hatrany dia mbola nahitàna bolongan-javatra sy vovo-javatra fotsifotsy, izay milanja teo amin’ny 6 grama teo ihany tao amin’io toerana io. Vovo-javatra, izay rehefa nanaovana fitsirahana dia fantatra fa izany « methamphétamine » izany, isan’ireo rongony mahery vaika.

Lire la suite

Articles Similaires