• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov_Vaovao
Image
Vaovao

Raharaha Ikongo : Voasambotra ireo efa-dahy niandohan’ny disadisa

30/12/2022 08:17 © Midi Madagasikara

Efa-bolana taty aorian’ily fanafihana tobin’ny zandary niafara tamin’ny rà mandriaka tao Ikongo, dia voasambotra ihany ireo efa-dahy niandohan’izany disadisa izany.

Tra-tehaky ny zandary tao an-drenivohitry ny faritra Matsiatra Ambony tao izy ireo, ny alarobia teo. Tsy nitsahatra nanao fikarohana ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ikongo, taorian’ny nanjavonan’ireo olon-dratsy efa-dahy, fototry ny raharaha fanafihana tobin’ny zandary tao Ikongo, ny volana aogositra lasa teo. Ny voalohandohan’ny herinandro teo dia nisy angom-baovao azon’izy ireo fa hita miriaria tao an-tampon-tananan’i Fianarantsoa izy efa-dahy ireto. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo zandary. Napetraka ny vela-pandrika rehetra. Tsy niandry ela fa dia izao niafara tamin’ny fisamborana azy efa-dahy izao. _Izy ireto, izay marihina fa samy nonina tao Ambatolampy, distrikan’Ikongo. «Napetraka ao amin’ny sampana mpanao famotorana heloka bevava ao Fianarantsoa ireo olona efatra ireo, ka misokatra ny fanadihadihana», hoy ny vaovao azo. _

Raha tsiahiviana dia tafatsoaka, tsy hita tany nanjavonana ireto olona ireto nandritra iny savorovoro ny andron’ny 29 aogositra iny. Izy ireo, ireo voasambotra sy notanana tao amin’ny tobin’ny zandary, rehefa voarohirohy tamin’ny resaka fakàna an-keriny zaza varira ary famonoana tamin’ny fomba feno habibiana ny renin’izany zaza izany. Notakian’ny vahoaka hatao fitsaram-bahoaka izy ireo saingy nandà ny hanome azy noho ny lalàna velona ny zandary ary nitarika tamin’ny fanafihana ny toby, izay niarahan’ny rehetra nahafantatra ny tohiny. Ain’olona am-polony maro ny nafoy tao anatin’izany. « Raha ny fahazoana ireo olona ireo dia anisan’ny mamerina ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny zandarimaria ary manaporofo fa tsy mitsahatra mikaroka loharanom-baovao amin’ny fandikan-dalàna izy ireo »

m.L

Lire la suite

Articles Similaires