• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov_Vaovao
Image
Vaovao

Andohatapenaka : Miaramila 03 lahy hita faty tao amin’ny ranon’i Ikopa

30/12/2022 06:44 © Midi Madagasikara

Hatairana ny an’ireo olona nandalo teny amoron’ny ranon’Ikopa iny tsy lavitra akory ny tobin’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety eny Andohatapenaka iny raha nahatsikaritra fa misy faty telo mitsingevana ao amin’ity renirano ity.

Raha nahazo fampandrenesana mikasika izany moa ny polisy tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro teo ho eo, dia nidina avy hatrany teny an-toerana. Tonga teny ihany koa ny avy ao amin’ny tafika Malagasy, ny zandary ary ireo avy ao amin’ny sampana mpamonjy voina ao Tsaralalàna sy ny Service de protection civile eny Ivato.

Rehefa natao ny fampakarana ny razana dia fantatra fa miaramila ireo olona maty ireo. Saingy tsy mbola fantatra mazava hatramin’ny ora nanoratanay ity vaovao ity ny tena zava-nitranga ka nahatonga ireo mialramila ireo tao anatin’io rano io. Andrasana arak’izany ny vokatry ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.

T.M.

Lire la suite

Articles Similaires