• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Voyage-Madagascar
Image
Vaovao

Ambohimalaza : « Epicerie » mivarotra rongony

29/12/2022 08:34 © Midi Madagasikara

Tsy afa-niala intsony. Ramatoa iray mitana fivarotana enta-madinika ary hikoizana amin’ny famarotana rongony eny amin’iny kaominin’Ambohimalaza iny no tra-tehaky ny zandary, avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimalaza ny andron’ny krismasy lasa teo. Tsy izy irery ihany anefa fa nisy olona telo hafa voasambotra ihany koa.

Tsy misy alahady na andro fety hitsarahana tokoa ny an’ireo mpitandro filaminana. Misy hatrany ny fisafoana ataon’izy ireo, ary nandritry ny iray tamin’ireny fisafoana ireny indrindra, ho an’ireo zandary avy etsy Ambohimalaza, no nahatsikaritra lehilahy hafahafa fihetsika teo Ampanengenana, fokontany Ambatofotsy izy ireo. Nanao ny fisavàna azy ireo zandary ary nahitàna rongony iray fonosana tokoa tany aminy. Tamin’ny fakàna am-bavany ity farany no nilazàny tamin’ireo zandary fa mpivarotra iray teny Antehikiady, fokontany Fiadanana no nahazoany io zava-mahadomelina io. Taorian’ny fahazoan-dalana nomen’ny fitsaràna, dia niroso avy hatrany tamin’ny fidinana ifotony sy ny fisavana ilay trano voatondro ireto mpitandro filaminana. « Epicerie » izy io, raha ny fampitam-baovao, ary vehivavy iray, miaraka amin’ny vadiny no mitana izany ary miara-milona ihany koa amin’ilay asa ratsy. Nahitàna rongony 80 fonosana rahateo tao amin’izy ireo. Tamin’io fotoana io ihany koa nisy lehilahy iray tsy nahafantatra ny fisian’ireo zandary tao an-toerana ka mbola nitonatonana handeha hividy « entana ». Noraisim-potsiny.

Ny ampitson’io moa, no nosamborina ihany koa ny mpamatsy ity ramatoa mpivarotra rongony hikoizana ity, teny « Ambany tanana », Ambohimalaza. Mbola vehivavy ihany koa izy io, araka ny vaovao azo. Tafakatra dimy izany ny olona voasambotra noho ity raharaha fanaparitahana rongony teny amin’iny faritra Ambohimalaza iny, izay samy natolotra teny anivon’ny Fampanoavana omaly avokoa.

Mbola mitohy moa ny fikaroham-baovao amin’ity raharaha ity, ataon’ireo zandary, torak’izany ihany koa ny hetsika sy ny fisafoana rehetra ataon’izy ireo, hahafahan’ny vahoaka mifety am-pilaminana.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires