• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minsan
Image
Vaovao

RN12 : Mopera, masera ary mpitsabo maty navadiky ny 4×4

28/12/2022 09:12 © Midi Madagasikara

Lozam-pifamoivoizana nahafaty olona dimy. Izay no nitranga teny amin’ny lalam-pirenena faha-12 omaly.

Fiara tsy mataho-dàlana nitondra olona maromaro no nivoaka ny làlana ary niafara tany anaty tevana. Namoy ny ainy tamin’izany ny mopera iray, masera ary mpivady mpitsabo. Hatramin’ny fotoana nanoratana dia olona dimy no namoy ny ainy. Mbola nisy naratra mafy koa ary nentina avy hatrany ao amin’ny toeram-pitsaboana ao Manakara. Raha araka ny vaovao azo mahakasika ity lozam-pifamoivoizana ity dia niala tao Vohipeno ilay fiara ary hihazo an’Antananarivo ny anton-dia.

_Indrisy anefa fa nitranga ny loza teo amin’ny folo kilametatra tsy hidirana an’antampon-tanànan’i Manakara. Potika tanteraka ilay fiara tsy mataho-dàlana, hazo sisa no nitazona azy raha tsy izay dia mbola nilatsaka tany ambany kokoa toa anaty hatsana. Tsy mbola voamarika hatreto ny mety ho antony nitarika ny loza ary efa nanokatra fanadihadiana mahakasika izany ny mpitandro ny filaminana ao Manakara. _

Lire la suite

Articles Similaires