• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Présidence De La République De Madagascar
Image
Vaovao

Sasakalin’ny Krismasy : Tafakatra 54 ireo olona voasambotra teto an-drenivohitra

27/12/2022 10:35 © Midi Madagasikara

Vita izay ny fankalazana ny krismasy. Hiditra amin’ny fetin’ny faran’ny taona sy ny fandraisana ny taom-baovao indray ny rehetra.

Pôlisy an’arivony no naparitaka eto an-drenivohitra amin’izao fety aman-danonana ho avy izao. Manara-maso, miambina ary manao fisafoana tsy tapaka ireo toerana rehetra izay mety ho feno olona. Fa raha hiverenana kely ny omaly, niaraka tamin’ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo, ny sasakalin’ny Noely, dia fantatra, araka ny antontan’isa navoakan’ny pôlisim-pirenena fa nahatratra hatrany amin’ny 54 isa tany ho any ny olona nosamborina teto an-drenivohitra, noho ireo asa ratsy isan-karazany. Halatra miharo herisetra nampiasàna basy : olona efatra no voasambotra. Olona iray kosa no nosamborina noho ny halatra miharo herisetra, nampiasàna antsy. Roa no tra-tehaka teo am-pamakiana trano. Fangalarana tsotra sy madinika : olona 16 no voatery nopaingorina. Nahitàna tranga halatra moto iray ihany koa ary efa voasambotry ny tompon’antoka, olona iray.

Ireo mpanendaka sy tontakely moa, nisy 11 no nosamborin’ny pôlisy, hoy hatrany ny fanazavana azo. Eo amin’ny resaka zava-mahadomelina, olona roa tra-tehaka nandray izany. Nisy mamo an-dalam-be niisa efatra ihany koa voatery nampidirina « violon ». Ankoatr’izay, voalaza fa nisy olona nampiseho fihetsika nampiahiahy, niisa 13 nosamborina avy hatrany. Anisan’ny andraikitra nosahanan’ny pôlisy ihany koa ny nandrindra ny fifamoivoizana ary niezaka nisoroka izay mety tsy hisian’ny loza, amin’izao fety izao. Tamin’io sasakalin’ny 24 desambra io dia voalaza fa nahitàna trangana lozam-pifamoivoizana niisa sivy, voarakitra teo anivon’ny BAC (brigade des accidents) teto an-drenivohitra. Ny iray tamin’ireo no namoizana ain’olona, raha ny fampitam-baovao azo, ny efatra naharatrana olona, ary ny ambiny nanimban-javatra. Marihana fa ny telo amin’ireto tranga ireto dia vokatr ny fahamamoana teo am-pamiliana fiara avokoa, araka ny voalaza hatrany

m.L

Lire la suite

Articles Similaires