• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov-Vaovao
Image
Vaovao

Polisin’i Toamasina : Nanao tatitra ny asa vitany tamin’ity taona 2022 ity

27/12/2022 08:59 © Midi Madagasikara

Raha ny voalazan’ny talem-paritry ny polisy Toamasina, dia isan’ny nisongadina ny polisin’ny FIP tamin’ny fisahanana ny resaka tsy fahandrimampahalemana teto Toamasina.

Raha ny fanazavana azo anefa dia jiolahy mahery vaika miisa 11 be izao no lavon’ny balan’izy ireo tamin’ity taona ity, raha dimy kosa ny polisy etsy bazary kely, ka izay no manome ny isa tamin’ny jiolahy lavon’ny balan’ny polisy miisa 16 tamin’ity taona ity. Nambaran’izy ireo koa fa polisy iray teo anivon’ny FIP no lavon’ny balan’ny jiolahy, raha polisy tao Bazary kely ny roa izay naratra vokatry fanafihana asan-jiolahy. Tao anatin’izay anefa dia basy niisa 11 teny am-pelentanan’ny jiolahy no tafaverina, ka ny enina tamin’izany dia ny FIP no nahazo azy, raha ny 05 kosa tratran’ireo polisy tao Bazary kely.

Fantatra izany rehetra izay nandritra ny famindram-pitantanana teo amin’ny talem-paritra teo aloha, ny controleur general de la polisy Rakototiana Valisoa Laubel, sy ny talem-paritra vaovao ny kaomisera Rakotovao Jean Christian, izay nihazona ny “commissaire centrale” tao Bazary kely. Nambaran’ny talem-paritra vaovao ity fa tohizana ny ezaka tsara efa natomboky ny tale teo aloha. Hapetraka hiaro sy ho fiarovana ny vahoaka ny polisy, nambarany koa fa hamafisina ny momba ny fakana an-keriny ataon’ireo jiolahy mahery vaika, indrindra ny fisorohana mialoha. Nambaran’ny tale vaovao koa fa tsy maintsy hisorohana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana; ka tsy maintsy hamafisiny ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana, ahitana zandary sy ny tafika Malagasy, ary ireo sivily mpanome vaovao azy ireo. Hatsaraina ny fomba fandraisana olona eny amin’ny sampan-tserivisy na polisy rehetra, atao faran’izay haingana ny famahana ny fifamoivoizina ary hafainganina ny hery vonjy taitra ny polisy, mba hisian’ny filaminana an-tanana hoy ny tale vaovao.

Hentitra kosa ny kaomisera Rafaliarivo Jules teny amin’ny toby misy ny FIP eny Tanambao Verrerie. Sady nandray ireo fiara roa nasim-panamboarana ny tenany, no nampitandrina koa ireo andian’jiolahy mievitra ny hanakorontonana ny filaminam-bahoaka. Nomarihan’ny FIP fa ampiasanay amin’ny ara-drariny ny fitaovam-panjakana; ka entinay hisamborana ireo jiolahy manakorontana ny vahoaka. Misy mpiara-miasa ny polisy amin’izao, ka ity mpivarotra trondro ity dia hanome 100 ariary isaky ny kilao amin’ny trondro lafony, mba entiny sy anjara birikiny amin’ny fiainana ara-tsosialy sy ara-pilaminana ny vahoaka. Ny vola azo tamin’io 100 ariary isaky ny trondro iray kilao lafo io, no nanamboarana ireo fiara roa an’i FIP. Ankoatra izay rehetra izay dia ny tananan’i Toamasina lavitry ny tsy fahandrimampahalemana sy ny asan-jiolahy mahery vaika no tanjona, hoy ny talem-paritra vaovao Kaomisera Rakotovao Jean Christian.

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires