• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov-Vaovao
Image
Vaovao

Toamasina : Jiolahy roa maty voatifitra

26/12/2022 16:06 © Midi Madagasikara

Roa maty ary roa hafa azo sambo-belona. Ny polisy misahana ny hery vonjy taitra na FIP no niditra an-tsehatra rehefa nisy fanafihana mitam-piadiana izay nitranga tao Tanamborozano-Toamasina

Lasa tamin’io alin’ny alakamisy io ny vola mitentina 2,4 tapitrisa ariary, ny moto scooter ary ny entana samihafa izay mora nobataina. Vetivety dia naharay ny antso vonjy ny polisy ary nanao ny fanarahan-dia avy hatrany. Efa nisaraka lalana ireo jiolahy kanefa voasambotra tao anatin’ny haizina ny iray voaloihany. Io no nanondro ny ramatoa iray mpiray tsikombakomba aminy, monina ao Tanambao-Verrerie io farany. Io indray avy eo no nanondro tsirairay ireo mpanafika izay saika tao amin’ny dépôt Analakininina avokoa. Raikitra ny fifanjevoana teo rehefa mbola namely ireo olon-dratsy no sady nitsoaka. Nisy ny tifitra avy amin’ny FIP izay nahalavo ny roa tamin’ireo jiolahy

_Mbola misy ny karohina ao anatin’ity tambajotran-jiolahy ity. Avy amin’ny olon-tsotra no nahazoana ny vaovao mahakasika ny jiolahy ary ny tompon’andraikitry ny polisy ao Toamasina dia manentana hatrany ny olona mba hizara vaovao mba entina miady amin’ny olon-dratsy.
_

D.R

Lire la suite

Articles Similaires