• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov-Vaovao
Image
Vaovao

Ankatso : Lehilahy tra-tehaka teo am-panendahana mpandeha taxibe

26/12/2022 06:28 © Midi Madagasikara

Raha iny teo am-pitsoahana iny avy nanao ny asa ratsiny iny mihitsy ity tontakely no nifanehatra tamin’ireo pôlisin’ny FIP nanao fisafoana, teo amin’ny faran’ny fiantsonan’ny taxibe tetsy Ankatso ny faran’ny zoma teo.

Mba hisorohana ny mety ho fanararaotan’ireo mpanao ratsy dia fantatra fa mpitandro filaminana marobe no nahetsika teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Amin’io toerana be olona sy be mpifamezivezy no tena nametrahana ireo mpitandro filaminana ireo, raha ho an’ny pôlisy manokana. Anisan’ireny toerana ireny ny toeram-piantsonan’ny taxibe ity. Toy ity teny Ankatso ity, ny pôlisy avy etsy anivon’ny hery vonjy taitry ny pôlisim-pirenena na ny FIP no tsy tapaka manao fisafoana sy fanaraha-maso izany toerana izany. Tamin’io zoma atoandro io indrindra, « lehilahy iray no nifanehatra tamin’izy ireo ka noraisim-potsiny rehefa avy nisintona zavatra teny antanan’olona ». Vehivavy iray, niandry fiara mpitatitra no lasibatr’ity tontakely tamin’io fotoana io. Mazava ho azy, toy ny tselatra hatrany no hanaovan’izy ireo izany ary manao tongotra an-katoka nitsoaka nony avy eo. Tamin’izany fitsoahana izany indrindra no nidona tamin’ireo pôlisy ingahirainy ary noraisim-potsiny.

Natolotra avy hatrany ny pôlisin’ny kaomisarian’ny boriboritany faharoa moa ranamana, ho amin’ny tohin’ny fanadihadiana, ary hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana, aorian’izay. Etsy andanin’izay, mbola mitohy hatrany kosa ny hetsika ataon’ireo pôlisy, mba hanaovan’ny olona fety am-pilaminana.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires