• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pratico-Pratiques
Image
Vaovao

Fanalana Zaza fomba natoraly : Tandremo, mety hanimba tanteraka !

26/12/2022 02:22 © Moov.Mg

Tsy mitsaha-mitombo ny isan'ireo vehivavy mitady zaza eto Madagasikara. Mazana anefa dia vokatry ny fanalana zaza teo aloha no mahatonga ny olana amin'ny fananana anaka.

Vohoka tsy niriana, mahatonga fanapahan-kevitra mamoafady

Maro ireo tanora tsy ampy taona no miroso amin'ny firaisana ara-nofo tsy misy fiarovana. Tsikaritra ireo sarin'ireo mpianatra eny amin'ny ambaratonga faharoa manao kivadivady eny amin'ny tambazotran-tserasera. Izany indrindra no mampiakatra ny tahan'ny vohoka tsy niriana. Noho ny tahotra ireo ray aman-dreny sy ny henatra amin'ny fiaraha-monina anefa, misy manapa-kevitra hanala zaza ireo tanora zazavavy, indrindra moa raha mitsoaka adidy ilay nahabevohoka azy. Ireo fomba natoraly matetika no manintona ireo tovovavy mba ialana amin'ny fanantonana dokotera. Ao no mitady tambavy, ao no mihinana sakafo izay heveriny fa tsy mahasoa ny vehivavy bevohoka. Tsiahivina, voararan'ny lalana eto Madagasikara ny fanalana zaza, eny fa na dia mahazo alalana manokana amin'ny mpitsabo aza noho ny antony ara-pahasalamana.

Ireo loza mety tsy ampoizina

Ny fanalana zaza dia mety hitarika fahafatesan'ny reny sy ny zaza ao am-bohoka. Tsy vitsy ireo tovovavy izay mamoy ny ainy noho ny fandehanan'ny ra be loatra (hémorragie) noho ireo fangaro samihafa nentina anatsaharana ny vohoka. Misy kosa ireo vehivavy izay tsy mahita ireo voka-dratsy raha tsy afaka taona maro, anaty tokantrano ara-dalana. Araka ny nambaran'ireo mpitsabo, ny fanalana zaza dia mampanify ny tranonjaza ary mety ahatonga vohoka an-tsosonkoditra any aoriana.
Mba isorohana ny fahasahiranana mitady zaza any aoriana, entanina ireo tanora Malagasy hisoroka ny fanalana zaza. Ireo tobim-pahasalamana eto Madagasikara dia efa manamora ny fahazoana ireo fandrindram-piterahana isan-karazany.

Lire la suite

Articles Similaires