• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg.Jpg
Image
Vaovao

Ivato : Karàna nahatrarana volamena, tanatin’ny faritry ny fitombenany

17/12/2022 04:27 © Midi Madagasikara

Hafa koa ! Taorian’ilay teratany Sri-Lankais nahatrana vato sarobidy tao anaty fitombenany, teratany indianina indray no tra-tehaky tetsy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, ny andron’ny alakamisy lasa teo, saika hanondrana volamena antsokosoko.

Sarona tao amin’ny faritra fitombenany ihany koa ireto harem-pirenena ireto, izay nilanja manodidina ny 900gr latsaka kely teo.

Araka ny fampitam-baovao azo, teo amin’ny toerana fanaovana fisafoana na PIF (point d’inspection/Filtrage), niarahan’ny zandary, ny pôlisy misahana ny sisin-tany ary ny fadin-tserana no sarona ity teratany karàna ity. Nikasa handray sidina tao amin’ny Ethiopian Airlines izy tamin’izao tratra izao ary any Delhi, Inde no nokasainy hitodiavana. Nampiahiahy ireto mpisava, ny fahitàna karazan-javatra hafahafa teo amin’ny faritra ambanin’ny kibony, rehefa notarafina tamin’ny « magnetomètre ».

Nentina avy hatrany natao fitsirihana ity farany ary niantefan’ny fanontaniana maro isan-karazany. Nasaina nandeha nivoaka ary hita tao anatin’ny fivalanany ny zavatra boribory (boulettes) mainty miisa telo, izay rehefa novahana dia nahitàna vovo-javatra miendrika volamena. 295G, 280g, ary 310g avy ny lanjan’ireo vovoka izany. Nogiazana avy hatrany moa ireto vovo-bolamena ireto ary napetraka eny anivon’ny fadin-tseranana. Notanana natao fanadihadiana kosa ingahy karàna, raha ny fantatra hatrany ary ireo mpanao famotorana eo anivon’ny fadintserana no miandraikitra ny raharaha.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires