• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Kaominin’i Toamasina renivohitra : Naato i Elisé Ratsiraka, napetraka ho PDS Razafimanana Jean Christain

03/06/2019 10:48 © Moov

Ny sabotsy 01 jona teo tao amin’ny lapan’ny tanana no nampahafantarana ny fanendren’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny atitany, ilay didim-panjakana laharana 11.132 izay nosoniavin’ny sekretera jeneralin’ny minisitera, Rtoa Celestine Rasolomaholy, mampiato ny ben’ny tanana Elisé Ratsiraka, sy manendry ireo filohan’ny delegasionina manokana (PDS).

 

Atoa Razafiminana Jean Christain no mitarika azy ireo, izay filohan’ny mpanolotsain’ny kaominin’i Toamasina am-perinasa. Ny Dr Razafiarisoa Marie Celestine lefitra voalohany izay mpitsabo mpitantana ny CSB II ao Ambohijafy, sy Atoa Toto Jean, mpiasan’ny orinasa SMMC, no lefitra faharoa, izay mbola tsy tonga nandritra izao fampahalalana azy ireo izao.

 

Ny prefen’i Toamasina, Atoa Benandrasana Cyrille, no nanatontosa ity didim-pitondrana ity ny sabotsy fiafaran’ny tolakandro teo tao amin’ny lapan’ny Tanana, teo anoloan’ireo mpiasan’ny kaominina hany mba nahare izao fampahalalana ny fijoroan’ny PDS eo anivon’ny kaominina izao. Ny famerenana an’i Toamasina ho kapitaly ekonomika, sy ho famerenana an’i Toamasina ho Tanana madio, ary ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa tsy voaloha efa am-bolana maro, misy mahatratra 40 volana ho an’ireo mpiasa miisa 300 eo. Ankilan’izany raha ny angom-baovao marim-pototra natao dia hanomboka anio alatsinainy 03 jona ny fanadihadiana eo anivon’ny kaominina ataon’ny prezidansa, araka ny kabary nataon’ny filoham-pirenena teto Toamasina ny alahady 26 may lasa teo. Mahita ny prezidansa raha ny fitarainana azony fa misy ny fanodinkodinam-bola sy kolikoly teo anivon’ny kaominin’i Toamasina renivohitra, na efa nanao izany aza ny ekipan’ny minisiteran’ny atitany sy ny “IGE” ny volana aprily.

 

Ankoatra izany dia ahiana mafy ny sakoroka eo anivon’ny lapan’ny tanana anio alatsinainy 03 jona. Ny antony dia milaza ny handray ny toerany ho ben’ny tanana Dr Elisé Ratsiraka sy ny ekipany ary ireo be sandry mpiaro azy manokana. Ho an’ny ben’ny tanana dia mbola izy no mpitantana ny kaominina noho izy mbola tsy nampahalalaina ilay didim-pitondrana navoakan’ny minisiteran’ny atitany ny sabotsy 31 may teo. Raha ny fandaharam-potoan’ireo PDS vaovao ihany koa dia anio alatsinainy izy ireo no haka ny biraon’ny ben’ny tanana eo anivon’ny lapan’ny tanana; izay iarahan’izy ireo amin’ny mpiasan’ny kaominina manohana azy ireo.

 

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires