• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Image
Vaovao

Toamasina renivohitra : Voaporofo ny fisian’ny pesta, efa am-polony ireo maty

13/09/2017 06:02 © Moov

Miteraka ahiahy sy fikoropahana ho an’ny fianakaviana maro ny filazana nataon’ny teo anivon’ny talem-paritry ny fahasalamana Atsinanana sy ny talen’ny fanaraha-maso ara-pahasalamana sy fitiliana otrik’aretina eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamana, nilazan’izy ireo fa misy pestan’ny tratra (Pestes Pulmonaires) ao Toamasina renivohitra, amin’izao fotoana izao.

Raha ny fanazavan’ny Pr Ratsitorahina Maherisoa, dia efa an-jatony taona no tsy nahitana ity karazana pesta ity ao Toamasina, ankehitriny anefa dia misy ilay aretina. Ny fanazavany hatrany no nahalalana, fa ny 28 aogositra teo dia nisy olona avy any Ankazobe tratran’ity aretina pesta ity nikasa ny hihazo an’i Toamasina, tsy tonga tao Moramanga akory izy dia maty tao anatin’ny fiaram-pitateran’ny UTA ka voatery navela tao ny fatiny. Nandritra izany anefa raha ny fanazavan’ny Dr Rakotoarimanana Raymond, dia efa namindra tamin’ireo mpandeha 18 niaraka taminy izy ka izao miparitaka eto Toamasina izao izany, noho ny tsy fahalalan’izy ireo. Vokatr’izany dia manao antso avo ireo olona rehetra tao anatin’ity fiaran’ny UTA ity ny mpitsabo, mba hanatonan’izy ireo toeram-pitsaboana mba tsy hiparitahan’ny viriosy amin’ny hafa. Aretina mora mifindra ny pestan’ny tratra noho izy viriosy afaka mifindra amin’ny alalan’ny piti-drora. Raha ny fanazavan’ireo mpitsabo, dia ao anatin’ny 12 ora monja dia mety hahafaty ireo voan’ity pesta ny tratra ity. Araka ny angom-baovao natao dia efa am-polony izao ireo maty, nisy teo anivon’ny hopitaly, nisy kosa tany an-tranony noho ny tsy fahalalana; ka ny faritra : Barikadimy – Mangarano, Ambohijafy – Antseranampasika, ary Tanambao V – Tanamakoa 12/14 no tena misy ny soritr’aretina amin’izao fotoana izao. Nanomboka ny alatsinainy hariva teo, dia efa 250 ireo olona ahiana hitondra ny viriosy no tsaboina amin’ny hopitaly be. Ireo olona efatra maty tao Antananarivo ihany koa araka ny vaovao dia mpianakavy avy niala sasatra tao Antseranampasika teto Toamasina, mbola mitsabo tena kosa ireo zanak’izy ireo telo. Vao niparitaka teto Toamasina omaly ny fisian’ity aretina pesta ity, sy ny fahalalan’ny olona fa ny fanafody “Cotrim” no fomba iray entina hanalefaka ny fitrangany ho an’ireo mbola tsy misy ny soritr’aretina, dia omaly talata ihany dia efa tafakatra 2 000 hatramin’ny 3 000 ariary ny fonosana iray amin’ireo toeram-pivarotana tsotra, raha 1 000 ariary izany amin’ny andavanandro. Ny eny amin’ireo mpivaro-panafody indray dia tsy naharaka ny tahiry ka voatery tsy manome afa-tsy fonosana iray (1 100 – 1 200 ariary) isan’olona izy ireo mba samy hahazo ny rehetra sy ho fisorohana amin’ny bizina be ataon’ny sasany ihany koa. Ho an’ny talem-paritra Atsinanan’ny fahasalamana kosa, dia nambaran’izy ireo fa ampy tsara ny fanafody eo amin’izy ireo, na efa nanao komandy fa lany tahiry tamin’ireo mpivaro-panafody ny hopitaly be. Ankoatra izay, dia ny loton’ny tanana amin’ny tsy fandraisana andraikitry ny kaominina ihany koa no tena olana eto Toamasina renivohitra izao. Raha resy tosika ity pesta ity, dia hahiana mbola ho avy koa ny valan’aretina manaraka satria efa manomboka mafana eto Toamasina izao, ao anatin’ny fifandimbiasan’ny orana izay mahatonga ireto toerana sy tanàna iva ho dobo-drano.

Malala Didier

Lire la suite

Articles Similaires