Fikaonandoha Kristianina : Mila fanavaozana ihany koa ny fanahin’ny Malagasy, hoy ny filoha Kly Michael
Omaly 19 novambra 2025 no nisokatra tamin’ny fomba ôfisialy, teny amin’ny Institut Supérieur de Travail Social (ISTS) eny Mandrimena Andoharanofotsy, ny Fikaonandoham-pirenena Kristianina, karakarain’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy. Rahampitso 21 novambra 2025 kosa izany no hifarana.
Kristiana mijoro, miombona, mandray andraikitra
"Kristiana mijoro, miombona, mandray andraikitra" no lohahevi-dehibe dinihina mandritra ity Fikaonandoham-pirenena Kristianina ity. Nanokatra izany tamin’ny fomba ôfisily, omaly, ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Randrianirina Michaël, notronin'ireo Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana. Tanjon’izao hetsika izay haharitra telo andro izao, ny hahafahan’ireo zanaky ny fiangonana kristiana rehetra miara-midinika sy mifampizara hevitra, momba ireo sehatra rehetra eo amin’ny fiainam-pirenena.
Ao anatin’ny fanavaozana isika izao, hoy ny filoham-panjakana Randrianirina Michaël. Isan’ny nolazainy nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny vahoaka Malagasy, tamin’ny alahady lasa teo, ny maha-zava-dehibe ny fanavaozana ny foto-pisainana. Fa mila fanavaozana ihany koa, hoy izy omaly, ny fanahy. « Misy zavatra tokony ovaina amin’ny fanahintsika malagasy, mba hahafahantsika manaraka ny lalan’Andriamanitra », hoy ny fanazavany.
Santatry ny fikaonandoham-pirenena
Ho an’ny androany alakamisy 20 novambra, dia maromaro ireo lohahevitra hodinihina sy hifanakalozan-kevitra, hiarahan’ny rehetra, na ao anatin’ny dinika isam-bondrona. Isan’izany ny momba ny fianakaviana, ny fanabeazana, ny serasera, ny tontolo iainana… Hisy manam-pahaizana maromaro ihany koa hanao famelabelarana sy hifampizara traikefa. Ny profesoa Solofo Jonis, ohatra, dia hamelabelatra ny momba ny fanorenana ara-toekaena azon’ny Kristianina entina, amin’ny alalan’ny fanodinana ny menaka mavesatra ao Tsimiroro. Ny mpanabe, Faly Rafieferana, dia hanazava momba ny fanabeazana miabo sy feno manatratra ny Distrika rehetra. Ramamimampionona Gérard, filoha lefitry ny filànkevitry ny fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, dia hiesaka momba ny fanarenana fiarahamonina ifotony…
Santatra amin'ny fikaonandoham-pirenena iraisan’ny rehetra izao fikaonandoham-pirenena Kristianina izao, araka ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Namafisiny fa tsy maintsy hotanterahina io fikaonandoham-pirenena io, fa andrasana ny tena fijoroan’ny Ministeram-panjakana eo anivon'ny Fiadidian'ny Repoblika misahana ny Fanavaozana. Na izany aza, efa manomboka miasa ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM), izay homena ny andraikitra hitarika izany fikaonan-doham-pirenena izany, raha ny nambarany. Rehefa tafajoro tanteraka kosa ny Ministeram-panjakana misahana ny Fanavaozana, dia afaka miroso amin’ny fanolorana ny drafitra tiany hitondrana ny fikaonandoha ny FFKM, hoy ny fanazavan’ny filoham-panjakana.



