• Cours de change
  • 5161.93 AR
  • |
  • $4406.45 AR
Copyright Image : © Mae
Image
Vaovao

Fihaonana an-tampony Italia-Afrika : Nanamafy ny fifandraisana ara-diplômatika ny minisitry ny raharaham-bahiny

30/01/2024 14:23 © Moov.Mg

Fotoana nanararaotan’ny delegasiôna malagasy, notarihin’ny minisitry ny raharaham-bahiny vaovao, Rasata Rafaravavitafika, nanamafisana ny fifandraisana ara-diplômatika tamin’ireo firenen-kafa, ny fanatrehana ny fihaonana an-tampony Italia-Afrika. Mpitondra Fanjakana ambony maro isan-tsokajiny, araka izany, no nifampidinika tamin’ireo iraka Malagasy nanatrika izany tany Roma Italia.

« Drafitra Mattei »

Isan’ny noresahana, nandritra ity fihaonana an-tampony Italia-Afrika ity, ny momba ny fandriampahalemana, ny toe-karena ary ny famoronana asa ho an’ny tanora aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Nodinihina ihany koa ny momba ny fotodrafitrasa, ny fanjariantsakafo, ny angovo, ny kolontsaina, ary ny fifindra-monina. Izany reherra izany dia tafiditra ao anatin’ilay antsoina hoe : « drafitra Mattei » (plan Mattei), izay iompanan’ny pôlitika ara-diplômatikan’i Italia, ary irian’ny fitondrana italianina hanatanterahana ny fifandraisana misy eo amin’ity firenena ity sy ireo firenena afrikanina. Izany dia hotanterahina ao anaty fitoviana tanteraka, fa tsy hametrahana antanan-tohatra « mpiahy sy ahiana », araka ny nambaran’i Giorgia Meloni, praiminisitra italianina. Raha tsiahivina dia solon-tenan’ny firenena afrikanina manodidina ny 20 isa no nanatrika ity fihaonana an-tampony Italia-Afrika ity.

Fanamafisana ny fiaraha-miasa

Tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny fandraisana anjara amin’ny fihaonana an-tampony tahaka izao, ho fanamafisana ny fiaraha-miasa, hoy ny minisitry ny raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Teo an-kilan’ny fihaonana niraisan’ny rehetra, araka izany, dia nihaona tamina tomponandraiki-pajakana ambony maro ihany koa ny delegasiôna malagasy, toy ny minisitry ny raharaham-bahiny tanzanianina, January Makamba ; ny minisitry ny raharaham-bahiny alzerianina, Attaf Ahmed ; ny minisitry ny raharaham-bahiny ejipsianina, Rania A. El-Mashat ; ny minisitry ny ati-tany sy ny filaminana anatiny zambianina, Jacob Jack Mwiimbu ; ny minisitry ny tontolo iainana italianina, Gilberto Pichetto Fratin ; ary ny minisitry ny raharaham-bahiny italianina Antonio Tajani. Nisolo tena ny filoha Andry Rajoelina tamin’izao fihaonana an-tampony izao kosa ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravitafika, sy ny minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana aarak’asa sady mpitondra tenin’ny governemanta, Lalatiana Rakotondrazafy. Ny 28 sy 29 janoary teo moa no nanatanterahana ity fihaonana ity.

Lire la suite

Articles Similaires