• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Santé Magazine
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ‘Ndeha ho resahana ny mikasika homamiadan’ny « testicules »

30/09/2024 15:16 © Moov.Mg

Aretina iray mikasika manokana ny lehilahy izay mbola vitsy mahafantatra ny homamiadan’ny « testicules ». Toy ny homamiadana rehetra nefa dia mety mitarika amin’ny fahafatesana izy io raha tsy voatsabo. Andeha ary ho resahana eto ny atao hoe homamiadan’ny « testicules », ny fomba fisehon’izany ary ny fitsaboana azo atao.

Inona no atao hoe homamiadan’ny « testicules » ?

Ny « testicules » na ny vaonin’ny lehilahy dia taova mandrafitra ny taovam-pananahan’ny lehilahy. Mitana anjara andraikitra roa izy ireo. Ny asany voalohany dia ny famokarana ny tsirin’aina (spermatozoïdes) ary ny faharoa dia ny famokarana ny hormonin’ny lahy atao hoe « testostérone ». Ity farany no mampivoatra ireo toetra maha-lehilahy, toy ny volombava sy ny feo midoboka na vaky.
Ny homamiadan’ny « testicules » dia aretina mahavoa ny « testicules ». Izany hoe misy fivontosana boribory (tumeur) mitahiry « cellules cancéreuses » ao anatin’iray amin’ireo vaonin’ny lehilahy. Raha tsy voatsabo izany dia mety hiparitaka amin’ny vatana ka hitarika amin’ny fahafatesana. Amin’ny ankapobeny dia ny lehilahy manodidina ny 20 hatramin’ny 40 taona eo ho eo no mety ho voan’io homamiadan’ny « testicules » io.
Mbola tsy voafaritra mazava hatreto ny antony mahatonga ny homamiadan’ny « testicules ». Misy ihany nefa ireo anton-javatra voalaza fa mampitombo ny « risques » hahavoa izany, toy ny hoe :
-Misy fianakaviana akaiky efa voa toy ny ray, raibe, dadatoa… ;
-Manao « cryptorchidie » izay tsy fahatomombanan’ny « testicule » hatrany am-bohoka ;
-Tratry ny « atrophie testiculaire » izay fihenana haben’ny « testicule » iray vokatry ny antony samihafa toy ny donika, voadona…

Ahoana ny fomba fisehon’ny homamiadan’ny « testicules » ?

Ny « testicules » dia mitovitovy habe na dia mety ho somary lebebe kokoa na midina ambany kokoa ny iray ny ilany. Raha misy fiovana ny endrika na ny haben’izy ireo dia mila mailo. Ankoatra izay dia tokony ho malama, tsy misy mivonto na mamatovato, ary tsy tokony ho mafy be ny vaonin’ny lehilahy. Anisan’ireo fambaran’ny homamiadan’ny « testicules » ny fisian’ny :
-Mamatovato na mivonto ao anatin’iray amin’ireo « testicules » ;
-Fiovan’ny habe na endrika ny iray amin’izy ireo ;
-Fahatsapana mavesabesatra eo anivon’izy ireo ;
-Fahatsapana manaintaina eo ambanin’ny kibo ;
-Misy mivonto ny atodintariana.
Isan’ireo soritr’aretina mety mitranga ihany koa ny fitomboan’ny haben’ny nonon’ny lehilahy. Izany dia vokatry ny hormonina iray tahirizin’ilay « tumeur » ao anatin’ny « testicules ». Mety miseho eo amin’ny tovolahy ihany koa nefa io fitombon’ny haben’ny nono io nefa tsy voatery mivadika ho homamiadan’ny « testicules ».

Ahoana ny fitsaboana azo atao ?

Amin’ny ankapobeny dia azo sitranina tsara ny homamiadan’ny « testicules », indrindra raha hita mialoha sy voaray an-tanana mialoha. Raha vao mahatsikaritra ny iray na ny maromaro amin’ireo fambara voalaza teo ambony dia mila manantona mpitsabo hanaovana ireo fizahana sahaza izany.
Ny fanesorana tanteraka ilay « testicule » voan’ny homamiadana amin’ny alalan’ny fandidiana matetika no dingana voalohany amin’ny fitsaboana ity aretina ity. Ankoatra izay dia mety manao « chimiothérapie » na « radiothérapie » hamongorana ireo « cellules cancéreuse ».

Lire la suite

Articles Similaires