• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Envie De Bien Manger
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana quiche tsy misy paty

27/09/2024 16:19 © Moov.Mg

Karakazana nahandro isan’ny matsiro ary ankafizin’ny ankizy sy ny lehibe ny quiche. Efa nentina teto teo aloha ny fikarakana quiche mahazatra. Ho an’ireo te hanamboatra quiche tsy asiana paty ary dia atoro eto indray ny fomba fanaovana azy. Mora atao nefa dia tena mafilotra ihany koa izy ity. Araho ary !

Ireo zavatra ilaina raha hanao quiche tsy misy paty

-Lafarina 100g ;
-Ronono 0,5l ;
-Lardons 100g ;
-Fromazy voakiky 100g ;
-Atody 3 ;
-Sira sy dipoavatra.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny nahandro

Alohan’ny hikarakarana ireo akora hanaovana ny quiche tsy misy paty dia mila homanina ny fandrahoana azy. Izany hoe hafanaina amin’ny hafanana 200°C ny lafaoro.
Tetehana atao en dés madinika ny lardons avy eo endasina anaty lapoaly lehibe mandrapaha masaka tsara sy mahazo loko. Raha toa ka mitera-drano be ireo lardons dia esorina hatrany izany ranony izany mba ahatonga azy ho mora mahazo loko.
Arotsaka ao anaty saladier ny atody, ny lafarina sy ny ronono. Kapohana amin’ny fouet mba hifangaro tsara. Asiana sira sy dipoavatra araka izay fatra itiavana azy ary tohizana kapohana hatrany mba ahazo fangaro malama sy mitambatra tsara.
Osorana dibera ny « plat à tarte » na izay lasitra ampiasaina handrahoana ny quiche. Rehefa izay dia araraka ao ny lardons sy ny fromazy voakiky. Atao mirafitra tsara mameno ny ambanin’ny lasitra. Avy eo araraka ao ilay fangaro nokarakaraina teo.
Andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 45 minitra amin’ny hafanana 200°C. Aroso mafana !

Lire la suite

Articles Similaires