• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana salady lelan’omby

26/09/2024 16:41 © Moov.Mg

Fomba mahazatra antsika hatrizay ny mahandro ny lelan’omby atao laoka. Matetika izy io dia ataontsika saosy na androhoina miaraka amin’ny petits pois. Fomba hafakely nefa dia matsiro hikarakarana ny lelan’omby indray ity entina amintsika eto ity dia ny salady lelan’omby. Araho ary ny fanaovana azy.

Ireo zavatra ilaina raha hanao salady lelan’omby

-Lelan’omby efa voadio sy voakiky ;
-Tongolo ;
-Saosy vinegrety ;
-Poivron maitso sy mena ;
-Sira sy dipoavatra.
-Persil sy kotomila (tsy voatery).

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Andrahoina amin’ny rano sy sira ny lelan’omby. Tsy atao malemy be loatra nefa koa tandremana tsy ho mafy tsy laitra tsakoina. Rehefa masaka dia loharana ary tetehana atao en dés. Avela hitsiaka anaty passoire hiala ny ranony.
Sasana ary tetehana atao en dés somary madinika ny poivrons maitso sy mena. Tetehana madinika ihany koa ny tongolo.
Homanina ny vinaigrety. Afaka afangaro fotsiny ny menaka sy ny vinaigitra mitovy fatra ary asiana sira sy dipoavatra. Rehefa vita dia arotsaka ao ny poivrons. Tsara raha mandifotra ireto farany ny fatran’ny vinegrety. Avela hilona ao mba ho masaka ny poivrons.
Afindra anaty saladier ny lelan’omby ary afangaro aminy ao ny poivrons miaraka amin’ny vinegrety. Aroharoana tsara. Araraka amin’ny farany ny persil sy kotomila voasasa sy notetehana madinika raha mampiasa izany.
Avela anaty vata fampangatsiahana mandrapihinanana azy.

Lire la suite

Articles Similaires