• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalaman’ny volo : mitana anjara lehibe amin’izany ny sakafo hoanina

26/09/2024 14:41 © Moov.Mg

Mila sakafo ara-pahasalamana sy be otrikaina ihany koa ny volo mba ho salama sy maniry ara-dalàna. Misy ireo sakafo homena azy avy ety ivelany, toy ireo vokatra fikarakarana ny volo, fa misy ihany koa ireo sakafo hoanina mahatsara azy. Inona avy ary ireo karazana sakafo mitondra vokatsoa ho an’ny volo.

Ny fiantraikan’ny sakafo hoanina eo amin’ny volo

Alohan’ny iresahana ireo sakafo mitondra vokatsoa ho an’ny volo dia andeha fantarina ny fiantraikan’ny sakafo hoanina eo aminy. Ny sela mamokatra ny volo dia hodidinin’ny lalandrà kely maro manome « oxygène » sy otrikaina. Ireto farany dia azo avy amin’ny sakafo hoanin’ny vatana. Ilaina arak’izany ny mihinana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana mba hikolokoloana ny fahasalaman’ny volo.
Ny vitamina, acides aminés sy ny oméga-3 anatin’ny sakafo dia manamafy sy mampangirana ny volo. Ny antioxydants sy ny sélénium dia miaro ny fahasalaman’ny volo. Arak’izany dia mety ho mora simba sy sarotra maniry ny volo raha tsy ampy ireo otrikaina avy amin’ny sakafo.

Ireo karazana sakafo mitondra vokatsoa ho an’ny volo

Isan’ny fomba iray manampy amin’ny fanomezana sakafo sy fikolokoloana ireo sela anatin’ny hodi-doha ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy be otrikaina. Anisan’ireo sakafo tsara hoanina arak’izany ny :
-Sakafo mitahiry vitamina B toy ny hena, ny atody, ny trondro, ny hazan-dranomasina, ny legioma, ny voankazo nahamainina, ny akondro, ny céréales complètes, ny levure de bière, ny varim-bazaha….
-Sakafo manankarena proteina toy ny hena, ny trondro, ny fromazy, ny soja, ny céréales ary ireo karazana voamaina ;
-Ny sakafo ahitana zinc sy soufre toy ny huîtres, sôkôlà, atin-kena, sésame, noix, atody, tongolo, hena sy trondro ;
-Ny sakafo be fer toy ny hen’omby, ny atody, ny lentilles, ny épinards, ny graines…

Lire la suite

Articles Similaires