• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Popp 15
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ‘Ndeha ho resahana ny mikasika ny fahamainan’ny maso

26/09/2024 11:38 © Moov.Mg

Toe-javatra mahavoa olona maro nefa mbola vitsy mahafantatra ny fahamainan’ny maso na « sècheresse oculaire ». Matetika dia ny fahatsapana toy ny mavaivay anaty maso na hoe manjavozavona ny fahitana ny fisehon’izany. Fa inona tokoa moa izany fahamainan’ny maso izany ? Inona no mety mahatonga azy ? Ahoana ny fomba atao hampisinda izany ?

Inona no atao hoe « sècheresse oculaire » na fahamainan’ny maso ?

Ny atao hoe « sècheresse oculaire » na fahamainan’ny maso dia ny tsy fahampian’ny habetsaka na ny kalitaon’ny ranomaso vokarin’ny maso. Ny « glandes lacrymales » anatin’ny maso tokoa mantsy dia mamokatra ranomaso tsy ankijanona mba hanamainana ny voamaso isaky ny mikipy ny hodimaso. Io ranomaso io no miaro ny voamaso amin’ireo loto, bakteria sy zavatra mety handratra azy. Ankoatra izay dia manamandina sy manome sakafo ny maso izy io. Raha lasa maina izany ny maso dia mety mitarika fanelingelenana samihafa eo amin’ny maso na koa aretin’ity farany.

Ahoana ny fomba fisehon’ny fahamainan’ny maso ?

Mety miseho amin’ny fomba maro samihafa ny fahamainan’ny maso na ny « sècheresse oculaire », ka anisan’izany ny hoe :
-Tsy mahatsapana manindrotsindrona, mamaivay, mangidihidy na mamasipasika ao anatin’ny maso ;
-Tsy mahazaka hazavana, rivotra na setroka sigara ny maso ;
-Sahirana rehefa manokatra maso amin’ny maraina, toy ny hoe miraikitra ny hodimaso ;
-Lasa mikipikipy be foana ny maso ;
-Tsy misy ranomaso mivoaka rehefa manao zavatra tokony hampilatsaka izany, toy ny rehefa mamaofy tongolo… ;
-Latsaka ho azy ny ranomaso rehefa tratry ny rivotra, mamaky soratra… ;
-Tsy mahita tsara na mahatsapa vizaka ny maso.

Ireo antony mety mahatonga ny fahamainan’ny maso

Maro ireo antony mety mahatonga ny fahamainan’ny maso na ny atao hoe « sècheresse oculaire » :
-Ny fandrosoan’ny taona na ny fahanterana ;
-Ny tontolo manodidina toy ny loto, ny rivotra maina, ny setroka sigara ;
-Ny fijerena « écrans » matetika sy maharitra loatra ;
-Ny fikorontanan’ny hormonina rehefa bevohoka, mampinono, ménopause… ;
-Ny fanaovana « lentilles de contact » ;
-Ny fihinanana fanafody sasany misy fiantraikany eo amin’ny famokaran’ny maso ny ranomaso.

Ny fomba atao hitsaboana sy hampitoniana ny fahamainan’ny maso

Marina fa tsy dia misy ahiana be loatra ny fahamainan’ny maso nefa mety mahatonga fanelingelenana maro eo amin’ny andavanandro izany. Mety lasa tsy mahavita mamaky soratra na mijery « écrans » maharitra, mety mahatonga areti-maso… Raha mahatsapa ireo fambara voalaza teo ambony ireo dia mila manantona mpitsabo mba hahazo ny fizahana sy ny fitsaboana sahaza izany.
Misy ihany koa ireo torohevitra manampy mba hampitoniana ireo fanelingelenana vokatry ny fahamainan’ny maso. Anisan’izany ohatra ny :
-Fitrakana kely isaky ny 15 minitra rehefa miasa amin’ny solosaina na rehefa mijery « écran » hafa ;
-Orina mandritra ny segondra vitsy ny hodimaso rehefa mahatsapa manaintaina na tsy mahazo aina anatin’ny maso ;
-Petahana compresse nasiana rano matimaty eo amin’ny hodimaso mandritra ny 5 na 10 minitra isak’alina ;
-Alavirina ny setroka sigara ;
-Manao solomaso, toy ny solomaso miaro amin’ny masoandro, rehefa mivoaka mba hiarovana ny maso amin’ny rivotra.

Lire la suite

Articles Similaires