• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeportsanté
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fikarakarana lasopy legioma sy hen’omby

24/09/2024 16:29 © Moov.Mg

Nahandro isan’ny matsiro ary mitondra otrikana maro ho an’ny vatana ny lasopy legioma sy hen’omby. Samy efa nahandro azy ireny avokoa angamba ny ankamaroantsika. Ho an’ireo izay nanandrana fa mbola tsy nahatafavoaka tsara izany dia atoro eto ary ny fikarakarana azy mba hatsiro tsara.

Ireo zavatra ilaina raha hanao lasopy legioma sy hen’omby

-Hen’omby 400g ;
-Karaoty 70g ;
-Ovy 70g ;
-Céléri tahony 2 ;
-Poireaux tahony 2 ;
-Sakamalaho voakiky 1 sotrokely ;
-Voatavo 70g ;
-Tongolo 1 ;
-Voatabia 1 ;
-Sira.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana

Sasana ary voasana avokoa ny karaoty, ovy sy voatavo. Tetehana tsy atao madinika kely fa somary vaventy.
Sasana ny hen’omby ary tetehana araka ny habeny hitiavana azy. Tsara kokoa raha misy taviny kely ny hen’omby mba hampatsiro ny lasopy.
Tetehana ny voatabia sy tongolo ary atao anaty lovia kely.
Sasana ny céléri ary kikisana amin’ny antsy ny fakany, toy ny hoe voasana kely mba hiala ny loto. Rehefa vita izay dia tetehana tsy atao madinika kely ny céléri, tsy ariana io fakany io fa ampiarahana aminy. Sasana ary tetehana ihany koa ny poireaux.
Ataingina ambony afo ny vilany ary endasina kely amin’ny menaka ao ny voatabia sy tongolo ary ny sakamalaho voakiky. Rehefa manomboka mihamendy kely dia arotsaka ao ny hen’omby.
Avela somary hiketrika kely avy eo tapohana rano mandifotra azy. Rehefa afaka 15 minitra dia arotsaka ireo legioma ary aroharoana hifangaro tsara. Avy eo rarahana ny rano mahamasaka ny lasopy.

Lire la suite

Articles Similaires