• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Top Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Marary tenda : ireo gararaka manampy ampitoniana izany

11/09/2024 11:37 © Moov.Mg

Mamely tokoa ny areti-tenda rehefa ririnina toy izao. Manelingelina ary mety manaintaina mihintsy moa izy ireny. Raha vao manomboka marary ny tenda dia mety manampy hampitony sy hanasitrana izany ny fanaovana gararaka. Manantona mpitsabo kosa nefa raha hita fa tsy mitony izany anatin’ny 3 andro. Ireto manaraka ireto ary ny karazana gararaka mampitony ny areti-tenda.

Gararaka ranon-tsira : hiadiana amin’ny « angine »

Ny « angine » no isan’ny areti-tenda matetika mampijaly ny ankizy sy ny lehibe. Ny fanaovana gararaka amin’ny ranon-tsira nafangaro tamin’ny rano matimaty 1 kaopy dia mampitony sy mety manasitrana izany. Atao isaky ny adiny 1 io gararaka io mba hampihena ny fanaitainana sy hamonoana ny bakteria. Ny ranon-tsira matimaty dia manana fiasa « antiseptiques » sy « anti-inflammatoires » ka ny fanaovana gararaka amin’izy io dia manampy betsaka amin’ny fiadiana amin’ny « angine ».

Gararaka karibonetra : mampitony ny « irritations » ao amin’ny tenda

Ny « irritations » ao amin’ny tenda dia tena manenlingelina ary indraindray mety marary ihany koa. Mba hampitoniana izany dia afangaro ny karibonetra 1 sotrokely sy ny rano matimaty 1 vera ary io no anaovana gararaka. Ny karibonetra dia manana fiasa « alcalines » sy « anti-inflammatoire ». Manampy amin’ny fanasitranana ny « irritations » ny tenda vokatry ny « pharyngite » na ny « amygdalite » ny fanaovana gararaka aminy. Ankoatra izay moa dia manampy amin’ny famoniana ny mikraoba ao am-bava sy miady amin’ny fofom-bava ratsy izany.

Gararaka ranona voasary makirana : miady amin’ny otrikaretina

Ny voasary makirana dia voankazo manankarena vitamina C. Arak’izany dia manana fiasa « antivirales » sy « antibactériennes » izy io. Ny fanaovana gararaka amin’ny ranona voasary makirana nafangaro amin’ny tantely sy rano matimaty dia mampihena ny fanaintainana ary miady amin’ireo otrikaretina mahatonga ny areti-tenda. Azo atao ihany koa ity gararaka ity mba ampitoniana ny sery sy ny gripa na koa ny areti-tenda vokatry ny kohoka.

Fanamarihana

Araka ny voalaza teo ambony dia rehefa vao manomboka kely ny areti-tenda no tsara anaovana ny gararaka amin’iray amin’ireo natoro ireo. Raha hita fa tsy misinda izany areti-tenda izany anatin’ny 3 andro dia mila manantona mpitsabo mba ahazo ny fitsaboana sahaza.

Lire la suite

Articles Similaires