• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Hby
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo tsara fantatra mikasika ny panda

10/09/2024 11:43 © Moov.Mg

Isan’ireo tasy miseho eo amin’ny hodi-tava izay manaratsy endrika tokoa ny panda. Fa inona tokoa moa ny panda ? Inona no mahatonga azy ireny ? Ahoana ny fomba atao hisorohana sy hanesorana azy ? ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny panda.

Inona no atao hoe panda ?

Ny panda dia tasy matroka mipotra eo amin’ny hoditra, indrindra ny hodi-tava, vokatry ny fitomboan’ny famokarana « mélanine » anaty hoditra. Marihana fa ny « mélanine » dia singa iray mitondra ny loko eo amin’ny hoditra. Rehefa lasa be loatra izany famokarana « mélanine » izany dia lasa mamorona loko matroka na mainty noho ny hoditra tokony ho izy.

Inona no mahatonga ny fitomboan’ny famokarana « mélanine » ?

Maro ireo anton-javatra mety mahatonga ny fitomboan’ny famokarana « mélanine » ka anisan’izany ny :
-Toe-batana. Izany hoe efa ny toe-batan’ilay olona mihintsy no mora misy panda. Matetika izany dia manaranaka ;
-Ny fijanonana ambany masoandro ela loatra nefa sady manao satroka na manao « crème solaire » ho fiarovana ny hodi-tava ;
-Ny hormonina « oestrogènes » izay an’ny vavy. Izy io no mahatonga ny vehivavy ho mora misy panda kokoa, indrindra rehefa bevohoka na koa rehefa mampiasa fanabeazanaizana misy « oestrogènes » ;
-Ny fikosehana ny tarehy na ny fanaovana « gommage » matetika loatra ;
-Ny fampiasana savony na « produits » tsy zakan’ny hodi-tava ;
-Ny olana eo anivon’ny « glande thyroïde ».

Ahoana ny atao hisorohana ny panda ?

Efa ireo voalaza ireo ny anton-javatra mety mahatonga ny fisian’ny panda. Mba isorohana ny fipoitran’ireto farana araka izany dia mila fadiana araka izay azo atao ireo anton-javatra ireo.
-Raha voatery hijanona ambany masoandro mandritra ny fotoana maharitra dia mila arovana tsara ny hodi-tava amin’ny alalan’ny fanaovana satroka sy « crème solaire ».
-Azo atao ny manao « gommage » fa kosa tsy atao matetika be loatra ary tsy kosehana mafy ny tarehy ;
-Vokatra natoraly no ampiasaina hanadiovana sy hikolokoloana ny tarehy.

Ahoana ny fomba fitsaboana ny panda ?

Tokony mihena tsikelikely ny panda rehefa ajanona ireo antony mahatonga azy. Amin’ny ankapobeny moa dia mety aharitra hatramin’ny roa taona vao tena hita ny vokatr’izany.
Manantona mpitsabo manokana ny hoditra na « dermatologue » mba ahazo ny fanafody hitsaboana sy hanesorana ny panda.
Fadiana ny manositrositra vokatra atoron’ny olona satria raha tsy mahazaka izany dia vao maika hitombo ireo panda.

Lire la suite

Articles Similaires