• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Gicor
Image
Fahasalamana&Sakafo

Torohevitra hiadiana amin’ny sery sy gripa rehefa ririnina

09/09/2024 16:33 © Moov.Mg

Mamely tokoa ny sery sy gripa amin’izao ririnina izao. Vao maika mampirongatra izany ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ireo izay marefo ny hery fiarovana moa no tena andairan’izy ireny. Ireto ary misy torohevitra vitsivitsy hiadiana amin’ny sery sy gripa amin’izao vaninandro mangatsiaka izao.

Mihinana sakafo ara-pahasalamana

Ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana no isan’ny manampy indrindra amin’ny fiadiana amin’ny sery sy ny gripa rehefa ririnina toy izao. Rehefa mahazo ny otrikaina ilainy amin’ny fampitomboana ny hery fiarovana ny vatana dia mahavita miady amin’ireo otrikaretina mitonga ny sery sy ny gripa. Ilaina arak’izany ny mihinana voankazo sy legioma karazany 5 isan’andro, ny mihinana vokatra azo avy amin’ny ronono sy trondro matetika…

Manao fanatanjahantena

Marina fa rehefa mangatsiaka toy izao ny andro dia kamokamo isika manetsiketsika ny vatana. Satry hatrany ny mibonobonoka manao mafana eo ambony fandriana na maka aina ambony seza… Ilaina nefa ny manao fanatanjahantena na manetsiketsika vatana mandritra ny 30 minitra fara fahakeliny. Ho an’ireo tsy mahavita manao fanatanjahantena mafy be dia azo atao ihany koa ny mandeha an-tongotra mandritra ny 30 minitra isan’andro. Manampy amin’ny fampitomboana ny hery fiarovana ny fanaovana izany.

Atao ampy tsara ny torimaso

Efa noresahana ombieny ny vokadratsin’ny tsy fahampiana torimaso. Antony iray isan’ny mamizaka ary indrindra mampidina ny hery fiarovana izany. Mila matory adiny 8 ora isan’andro mba hanomezana hery ny vatana sy mba tsy ho mora andairan’ny sery sy ny gripa. Marihana fa eo anelanelan’ny amin’ny 9 ora alina hatramin’ny 3 ora maraina no tena tsara atoriana satria amin’io fe-potoana.

Atao madio sy azon’andro ny efitra fatoriana

Manampy betsaka amin’ny fiadiana amin’ny sery sy gripa ny fatoriana anaty efitrano madio sy azon’andro. Ny vovoka sy ny bibikely mipetraka amin’izy ireny dia isan’ny mampikohoka sy mahavoan’ny sery. Noho izany, mba tsy ampitombo ny risika hahavoa ny gripa sy tsy hahasarotra ny fitsaboana ny sery dia tsara raha diovina tsara sy atao atao idiran’ny taratry ny masoandro ao amin’ny efitrano fatoriana. Fadiana ihany koa ny matory anaty efitra mandomando satria dia misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalaman’ny taovam-pisefoana ihany koa izany.

Lire la suite

Articles Similaires