• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Restaurants.Mu
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana tsikiri

08/08/2024 20:47 © Moov.Mg

Anisan’ny sakafo maro mpankafy ny tsikiri. Tsy inona moa ity farany fa ilay manga manta nolomana miaraka amin’ny episy maro izay manome tsiro hafakely azy. Any amin’ny morontsiraka andrefana any moa no tena ahitana azy ireny raha ny eto amintsika manokana. Ho an’ireo maniry hanao tsikiri ao an-trano dia atoro eto ary ny fanaovana izany.

Ireo zavatra ilaina raha hanao tsikiri

-Manga manta ;
-Tongolo gasy ;
-Tongolo madinika ;
-Paprika ;
-Massala ;
-Jirofo ;
-Kanelina ;
-Menaka eo ho eo amin’ny 1l eo ;
-Vinaigitra ;
-Sira ;
-Sakay lavalava (tsy voatery).

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Sasana tsara ny manga dia voasana. Afaka tsy voasana ihany koa, arak’izay itiavana azy.
Tetehana vaventy dia asiana sira.
Atao anaty sahafa ireo manga voateteika dia atapy andro mandritra ny 1 andro voalohany. Saromana sachet mba tsy ho azon’ny rivotra.
Amin’ny andro faharoa dia esorina ilay sachet ary avadibadika ilay manga tsy ho bogongolo.
Amin’ny andro fahatelo nanamainana azy dia tokony efa malazo tsara ireo manga satria efa maina.
Omanina ny hanitra rehetra ampiarahana amin’ny tongolo madinika tsy notetehana sy ny tongolo gasy tsy nototoina. Atao anaty vilany na lovia jobo vy ireo akora ireo ary arotsaka ao ny manga. Ampiana sira kely.
Afanaina atao mamay be ny menaka avy eo arotsaka anatin’ilay vilany na lovia jobo misy ny manga. Tsy ataingina ambony afo. Raha tiana asiana sakay dia arotsaka ao ny sakay. Avy eo saromana tsara.
Andrasana mangatsiaka dia asiana vinaigitra kely. Rehefa vonona dia afindra anaty bocal ary avela hilona andro maromaro mba ho masaka sy malemy ilay tsikiri.

Lire la suite

Articles Similaires