• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Swagactu
Image
Fahasalamana&Sakafo

Onychophagie : Manaikitra hoho rehefa miasa saina na matahotra !

03/07/2023 10:09 © Moov.Mg

Bory kely ny hoho sady tsy mirindra tsara : manaikitra hoho izay ilay olona. Toa mandeha ho azy ny fampidirana tanana any am-bava ho an'ireo tratran'ny Onychophagie. Tsy mampiasa coupe-ongles mihitsy izy ireo ary tsy mijanona raha tsy maratra mihitsy ny tanana.

Iza avy ireo tena tratran'ny Onychophagie ?

Tsy mifidy taona ny Onychophagie. Mety hanana fahazaran-dratsy manaikitra hoho na ny ankizy, na ny tanora na ny olon-dehibe. Rehefa tena zatra ilay olona, dia toy ny mandeha ho azy ilay fihetsika, eny fa na dia eny imason'olona maro aza. Raha ny hevitr'ireo manam-pahaizana, entin'ilay olona miatrika ny tahotra, ny ahiahy sy ny fikorontanana samihafa tsapany izany fihetsika izany.

Olona tsy milamina na "stressé"

Ny "stress" dia anisan'ny manimba olona maro. Rehefa tsy milamin-tsaina sady mitebiteby ny olona iray dia mitady hevitra hanadinoana na hioarana izany. Tsy vitsy ireo misafidy ny handray zava-mahadomelina na miova rivotra. Ao kosa nefa ireo tafalatsaka amin'ny Onychophagie. Isaky ny misy tranga atrehina ka mampiasa saina no maningotra ny fihetseham-po, voakaikitra avy hatrany ny hoho.

Olona malahelo lava na "déprimé"

Ny "depression" dia mitarika ny olona hanjombona sy hilona anaty alahelo. Rehefa tsy manana fanantenana intsony ny olona iray dia very ny fifehezany ny tenany. Mety ho lasa ho azy araka izany ny fampidirana tanana any am-bava. Matetika dia rehefa bory tanteraka ny hoho vao mety hanenina ilay olona. Te hamerina io fihetsika io hatrany nefa izy ahafahany miatrika amim-pitoniana kokoa ny sedra lalovany.

Olona mahatsiaro tena ho voaambana na "menacé"

Mety hanaikitra hoho tsy satry ny olona iray rehefa miasa saina noho ny ambana mety mihatra amin'ny. Matetika dia mahatsiaro tena ho tsy misy mpiaro intsony ny olona iray rehefa manaraka an-jambany ny hevitry ny manodidina azy, na manatanteraka asa tsy vokatry ny fony.

Olona tsy sahy manapa-kevitra na "indécis"

Tsy mora ny mandray fanapahan-kevitra, indrindra manoloana ny tranga manahirana. Mety hiankin-doha tanteraka amin'ny Onychophagie ny olona iray mba hahitany hevitra sy hanangonany angovo haingana kokoa.

Olona tsy mahatoky tena na "en manque de confiance en soi"

Mahatonga faharan-dratsy maro ny tsy fahatokisan-tena. Araka ny hevitry ny mpitsabo, matetika dia lasa manaikitra hoho ireo olona mila mihoatra sakana iray na maromaro amin'ny fiainany. Na dia ananany aza ny fahaizana sy ny hery anatanterahana tetikasa iray, dia miahotra izy ireny noho ny trangam-piainana isan-karazany.

Inona avy ny voka-dratsin'ny Onychophagie ?

Maro ny voka-dratsin'ny Onychophagie. Mety hitarika aretina mampidi-doza izany raha maharitra an-taonany maro.

Fidiran'ny mikraoba any am-bava

Rehefa manaikitra hoho mantsy ny olona iray dia miditra any am-bavany avokoa ny loto rehetra eny amin'ny tanany. Tsy misy olona hampiasa gel désinfectant nefa ka hanaikitra hoho avy eo. Noho izany, tonga any amin'ny taova fandevonan-kanina ny mikraoba isan-karazany.

Faharatsian'ny hoho

Mazava ho azy, ratsy ny endriky ny hoho. Mora maratra ihany koa ny tanana satria mora miendaka ny hoho noho ny hamandoan'ny rora. Mety hipoitra ihany koa ireo fivontosana isan-karazany. Ampahatsiahivina fa anisan'ireo singa miaro ny hoditra ny hoho ka rehefa fohy loatra dia miteraka aretina insan-karazany.

Fahapotehan'ny nify

Tsy vitsy ireo olona manaikitra hoho no manana olana amin'ny nify. Mihafohy mantsy ny nify rehefa zavatra mafy foana no miditra any am-bava. Mety hisilaka ihany koa ny nify rehefa ela ny ela. Ireo nify eo anoloana moa no tena voakasiky ny fahasimbana.

Inona no azo atao ialàna amin'ny Onychophagie ?

Raha any ivelany, manantona Psychiatre na Psychologue ireo tsy mety afaka amin'ny Onychophagie. Azo sokajiana ho aretin-tsaina mantsy izy io, noho ny alahelo, ny tsy fahaizana mifehy tena, ny tsy fahatokisan-tena ary ny fahadisoam-panantenana. Tsara nefa ny mampahafantatra fa ny fahavononan'ny saina hiala amin'izany dia mety hanova zavatra maro.

Famahana ny olana manokana

Tsy mora ny fialana amin'ny Onychophagie. Toy ny fandraisana zava-mahadomelina ihany izany fahazaran-dratsy izany. Ny azo atao voalohany dia ny mandini-tena ny amin'ny antony mahatonga izany. Tsy vitsy mantsy ireo tsy mahazo aina amin'ny asany, na eo anivon'ny tokantrano sy ny fianakaviana. Mila fantatra araka izany ny fototry ny olana, ahafahana mitady vahaolana. Azo atao tsara ohatra ny mifampiresaka amin'ireo olona izay mety ho "ambana" amin'ny fiainana an-davan'andro. Azo heverina ihany koa ny manapaka fifandraisana maro raha ilaina. Tsy azo atao ambanin-javatra ny fahasalaman'ny saina, na dia tsy mora aza ny mandray fanapahan-kevitra. Tsy vitsy ohatra ny miharitra herisetra ara-batana sy ara-tsaina, ka mahatonga ny tsy fahatokisan-tena sy ny fifikirana amin'ny zavatra na olona manimba.
Tsy tokony hanaikitra hoho intsony ny olona iray rehefa :
-Mitsinjo ny fahasalamany ;
-Mahatoky tena amin'ny fanapahan-kevitra raisiny, na hitondra soa izany na mety hitarika voka-dratsy ;
-Mahay misafidy ny olona ametrahany fitokisana ;
-Misafidy ny hanatanteraka ny faniriany na dia sarotra aza ny sedra atrehina ;
-Mahay mandamina fotoana ;
-Tsy mora mikoropaka na milavo lefona manoloana ny fanakivian'ny manodidina ;
-Tsy manaiky ataon'ny hafa fitaovana ;
-Tia mikaroka sy mamaky boky.

Fikolokoloana ny hoho

Ahafahana mitaratra ny filaminan-tsain'ny tsirairay ny fomba fiakanjo, ny fahadiovana sy ny haingo isan-karazany. Na ho an'ny lehilahy na ho an'ny vehivavy, azo lazaina fa manimba ny endrika ivelany ny hoho tsy mirindra tsara. Araka izany, entanina ireo manaikitra hoho mba hividy ireny "kit manucure" ireny. Singanina manokana amin'izany ny fampiasana "coupe-ongles" anapahana ny hoho ary ny "lime" andaminana tsara ny hoho voatapaka. Tsara ihany koa ny mampiasa "crème pour les mains" mba hahamandimandina ny tanana. Rehefa sarotiny amin'ny endriky ny tanana mantsy ny olona dia lasa tsy te hanimba izany intsony.

Fanaovana "gants"

Amin'izao andro mangatsiaka izao, azo atao tsara ny mampiasa "gants" ahafahana manafana ny tanana, indrindra mba tsy ampidirana tanana any am-bava intsony. Ilaina nefa ny fifehezan-tena, indrindra rehefa sendra variana iny.

Lire la suite

Articles Similaires