Inona no sakafo tsara hoanina mba hananana hery bebe kokoa ?
Matetika isika mahatsapa reraka na tsy manam-pahavitrihana ao anatin’ny tontolo andro. Indraindray dia miankina amin’ny sakafo hoanina no mahatonga izany. Ny fisafidianana sakafo ara-pahasalamana sy mifanaraka amin’ny filan’ny vatana dia afaka manome hery sy tanjaka bebe kokoa. Ireto àry misy torohevitra mety hanampy hahazoana hery avy amin’ny sakafo.
Sakafo manome hery : ny « glucides complexes »
Ny « glucides » no loharanon-kerin’ny vatana. Tsy mitovy avokoa nefa ny fiantraikany : ny siramamy sy ny zava-pisotro mamy dia mampiakatra vetivety ny tahan’ny siramamy ao amin’ny ra, fa avy eo dia midina vetivety ihany koa izany ka vao maika miteraka harerahana sy tsy fahatoniana.
Ny « glucides complexes » kosa dia miadana kokoa ny fampiakarany ny tahan’ny siramamy anaty ra. Ny vary mena, voanjo, voamaina, ary anana maitso no mitahiry azy io. Manome hery maharitra ny « glucides complexes » ka mitondra fahatsapana ho mavitrika mandritra ny tontolo andro.
Mihinana proteinina tsara kalitao
Ny proteinina dia manampy amin’ny fikoloana ny hozatra sy ny fifandanjan’ny tahan’ny siramamy ao amin’ny ra. Izany moa dia manampy amin’ny fisorohana ny fihenan’ny hery tampoka.
Maro ireo sakafo mitondra proteinina ho an’ny vatana, ka anisan’izany ny hena tsy matavy (akoho, vorona), ny trondro misy menaka sy omega-3 (saumon, maquereau), ny atody, ny fromazy sy ronono ary ny voanjo sy « tofu » ho an’ireo tsy mihinana hena.
Tsy adinoina ny tavy tsara ho an’ny vatana
Ny tavy tsara (graisses saines) dia manome hery maharitra ary manampy ny fiasan’ny ati-doha. Isan’ireo sakafo mitahiry io tavy tsara io ny voanjo sy voa, ny zavoka, ny menaka zavamaniry (oliva, colza), ny trondro matavy (sardines).
Vitamina sy mineraly manome hery
Ny vatana dia mila vitamina sy mineraly sasany mba hamadika ny sakafo ho hery. Anisan’ireo ilaina ary ny :
-« Fer » noho izy mitondra « oxygène ao amin’ny ra. Ny hena mena, tsaramaso, anana maitso, betiravy, ati-kena... no isan’ny ahitana azy.
-« Magnésium » izay manampy amin’ny famokarana hery ao amin’ny sela. Ny voanjo, voa, sôkôla mainty, anana maitso… dia samy mitahiry azy io.
-Vitamina B dia manampy amin’ny « métabolisme » ny hery. Ny vary mena, tsaramaso, hena, atody… no ahitana azy io.
-Vitamina C izay manampy ny vatana handray ny « fer » sy manamafy ny hery fiarovana. Ny voankazo manitra (voasary, paiso, kiwi), sakamalaho, poivron… no betsaka azy io.
Ferana ny siramamy sy ny kafe
Na dia mety hanome hery vetivety aza ny kafe sy ny zava-pisotro mamy, dia matetika miteraka fihenan-kery tampoka izy ireny avy eo. Tsara kokoa ny misafidy zava-pisotro ara-boajanahary toy ny dite maitso na dite zava-maniry.




