Fahasalamana : Fahatakarana tsotra ny atao hoe « trouble bipolaire »
Mbola maro ny olona tsy mahafantatra tsara ny « trouble bipolaire », indrindra moa eto Madagasikara. Olona an-tapitrisany maneran-tany nefa no voakasik’izy io. Marihana isan-taona ny 30 martsa ny andro maneran-tany ho an’ny « trouble bipolaire ». Natao izany mba hahatakarana ny mikasik’ity aretina ity, ny fisehony ary ny fitsaboana azy. Araho eto ny andinindininy tsara fantatra.
Inona no atao hoe « trouble bipolaire » ?
Ny « trouble bipolaire » dia aretin-tsaina izay miseho amin’ny fiovaovana lehibe eo amin’ny toe-po. Tsy fiovaovana tsotra sy mandalo eo amin’ny fihetseham-po akory izy io fa fiovana mahery vaika, maharitra, ary mety hisy fiantraikany lehibe amin’ny fiainana andavanandro toy ny fifandraisana amin’ny hafa, ny asa…
Ny olona iray voan’ity aretina ity dia mety hanana toe-po roa lehibe mifamadibadika :
-vanim-potoana fahakiviana (dépression)
-vanim-potoana hafanam-po tafahoatra (manie na hypomanie)
Eo anelanelan’ireo toe-javatra ireo, indraindray, dia mety misy fotoana mahatsapa ho milamina tsara ihany ilay marary.
Inona no maha samy hafa ny « dépression » sy ny « manie » ?
Mba hahafahana mahatakatra bebe kokoa ny atao hoe « trouble bipolaire » dia mila mahay manavaka ny « dépression » sy ny « manie ».
Ny dingana « dépressive »
Rehefa ao anatin’ny « dépression » ny olona dia mety hahatsapa :
-alahelo lalina na fahabangana ao anatiny,
-tsy fahalianana amin’ny zavatra nahafinaritra taloha,
-havizanana be,
-fahasarotana mifantoka,
-indraindray eritreritra ratsy na mampanahy (toy ny hoe te hamono tena).
Mitovitovy amin’ny « dépression » mahazatra izy ity, saingy ao anatin’ny fihodin’ny « trouble bipolaire ».
Ny dingana « maniaque »
Mifanohitra amin’izany kosa ny « manie », izay ahitana :
-hery be loatra,
-fahatsapana ho mahavita ny zavatra rehetra na hafaliana tafahoatra,
-tsy mila torimaso firy,
-fihetsika taitaitra (fandaniana vola, fanapahan-kevitra tsy voahevitra),
-fiteny haingana sy eritreritra mandeha be.
Ny « hypomanie » dia manana ireo soritr’aretina ireo ihany koa, fa tsy dia mafy loatra.
Ireo karazana « trouble bipolaire »
Misy endrika maromaro ny « trouble bipolaire » :
-« Bipolaire type I » : misy farafahakeliny fizarana « maniaque » iray mahery vaika, ary matetika miaraka amin’ny « dépression ».
-« Bipolaire type II » : mifandimby ny « dépression » sy ny « hypomanie » (maivana kokoa noho ny « manie »).
-« Cyclothymie » : endrika maivana kokoa, misy fiovaovan-tsaina matetika fa tsy dia tafahoatra.
Samy manana ny fisehony ny « trouble bipolaire » eo amin’ny olona tsirairay, ary mety hiovaova ny faharetana sy ny hamafin’ny dingana.
Inona avy ireo antony mety mahatonga azy ?
Tsy misy antony tokana mahatonga ny « trouble bipolaire ». Matetika dia vokatry ny fitambaran-javatra maromaro izy :
-Antony ara-batana (biolojika) : tsy fifandanjan’ny akora ao amin’ny atidoha,
-Antony lova (génétique) : mitombo ny risika raha misy havana voan’ity aretina ity,
-Antony avy amin’ny toe-java-misy: adin-tsaina, ratram-po, na zava-nitranga lehibe teo amin’ny fiainana.
Mifamatotra ireo antony ireo ka mahatonga ny aretina ho sarotra.
Inona ny fitsaboana misy ?
Vaovao tsara : azo tsaboina sy azo fehezina ny « trouble bipolaire ».
Fitsaboana amin’ny fanafody
Matetika ilaina izy ireny, toy ny :
-fanafody mampitony ny toe-po,
-« antidépresseurs » (ampiasaina am-pitandremana),
-« antipsychotiques ».
Fitsaboana amin’ny « psychothérapie »
Ny firesahana amin’ny matihanina dia manampy :
-hahatakatra tsara ny aretina,
-hahafantatra mialoha ny famantarana ny fiovana,
-hifehy ny adin-tsaina sy ny fihetseham-po,
Fomba fiaina ara-pahasalamana
Zava-dehibe ihany koa ny :
-fitazonana ora fatoriana voalamina,
-fisorohana alikaola sy zava-mahadomelina,
-fitantanana ny adin-tsaina,
-fanaraha-maso ara-pitsaboana tsy tapaka.




