• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Espace Musculation
Image
Reny&Zaza

Zaza voan’ny gripa : manampy ampitoniana izany ny diloilo coco

15/10/2024 15:55 © Moov.Mg

Mirongatra tokoa izao ny gripa eo amin’ny zaza sy ny ankizy vokatry ny fifadibadian’ny andro. Miparitaka ny otrikaretina mahatonga azy io noho ny andro mamay be mivadika mangatsiaka tampoka. Manampy hampitoniana ireo soritr’aretin’ny gripa ny fampiasana diloilo coco tsy mitapoka.

Ireo soritr’aretin’ny gripa eo amin’ny zaza sy ny ankizy

Satria mbola marefo ny hery fiarovan’ny zaza sy ny ankizy dia mora andairan’ny gripa kokoa izy ireo raha oharina amin’ny olon-dehibe. Ireto manaraka ireto ary ireo fambara ahafantarana fa gripa ny mahazo ny zaza na ny ankizy :
-Tsentsina ny orona ;
-Manavy tampoka ;
-Mangovitra ;
-Marary an-doha ;
-Manakotsako ny hozatra ;
-Reraka be ;
-Koha-maina ;
-Marary tenda ;
-Malain-komana.
Eo amin’ny zazakely dia mety hiakatra hatramin’ny 39°C ny fanaviana, marary vavony sy kibo, mandoa, mivalana. Mety harary ihany koa ny sofina na ho mena ny maso.

Ny fampiasana ny diloilo coco hampitoniana ny gripa

Raha mbola vao manomboka ny gripa eo amin’ny zaza sy ny ankizy dia manampy hampitoniana izany ny diloilo coco tsy mitapoka. Tsotra ny fampiasana azy. Osorana diloilo coco eo amin’ny tenda, ny tratra sy ny lamosiny. Raha toa ka misy hafanana kely izy, izany hoe latsaky ny 38°C, dia osorana ihany koa ny firifany roa. Raha tsentsina ny orony dia asiana diloilo coco kely ny handriny. Ho fanampin’izay dia ampanaovina hevoka rano mafana ny zaza mihoatra ny 5 taona.

Fanamarihana

Araka ny voalaza teo ambony dia vao manomboka ny gripa no ampiasaina ity torohevitra ity. Mila manantona mpitsabo kosa raha manavy be, mihoatra ny 38°C, ny zaza na ankizy voan’ny gripa. Toy izay ihany koa raha hita fa reraka, mivalana, marary tenda, mandoa na malain-komana izy.

Lire la suite

Articles Similaires