• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Centre Dentaire De La Tour
Image
Reny&Zaza

Tasy mainty eo amin’ny nifin’ny zaza : ‘ndeha ho resahina !

14/10/2024 10:34 © Moov.Mg

Maro tokoa ny zaza sy ny ankizy misy tasy mainty miseho eo amin’ny nify. Tsy mety afaka ireo tasy ireo na kosehana tsara amin’ny borosy nify aza. Fa inona tokoa moa ireny tasy mainty amin’ny nifin’ny zaza sy ny ankizy ireny ? Tokony mampanahy ve ? Ahoana ny fomba atao hanesorana izany ?

Ny antony mahatonga ny tasy mainty eo amin’ny nifin’ny zaza sy ny ankizy

Toe-javatra fahita ny tasy mainty eo amin’ny nifin’ny zaza sy ny ankizy na ny atao hoe « black stain » na « dépôt noir ». Maro ny mihevitra fa avy amin’ny fanafody na ny sakafo hoanina no mahatonga azy ireny. Marihana nefa fa ny fisian’ny bakteria iray izay mihombo ao anatin’ny vavan’ny zaza no mahatonga azy io. Miavaka amin’ny lokony mainty moa ity karazana bakteria ity.

Inona no mampisy io bakteria io kokoa eo amin’ny zaza sy ny ankizy ?

Ny « composition chimique » izay mandrafitra ny roran’ny zaza no mampihombo io bakteria mahatonga ny tasy mainty eo amin’ny nifin’ny zaza sy ny ankizy io. Rehefa tonga ny taona fialana sakana dia milefy io « composition » ny rora io rehefa tratry ny fiovan’ny hormonina ao amin’ny vatana. Mihena manarak’izany ny fitombon’ireo bakteria voalaza ireo.

Misy tokony ampanahy ve ny fisian’ireo tasy mainty ireo ?

Mampanahy ny ankamaroan’ny ray aman-dreny ny mahita ireo tasy mainty mipoitra eo amin’ny nifin’ny zaza na ny ankizy. Mampitombo izany fitaintainana izany ihany koa ny tsy fahafahana manala ireo tasy ireo na dia efa kosehana amin’ny borosy nify aza. Araka ny efa nazavaina teo ambony nefa dia afaka ho azy ireo tasy ireo rehefa mihalehibe ilay zaza. Marina fa manaratsy endriky ny nify izy ireo nefa tsara ny manamarika fa tsy atahorana hisy vokadratsy eo amin’ny fahasalamana izany ary tsy mahatonga areti-nify.

Inona no torohevitra manampy manoloana izany ?

Tsy dia misy fikarakarana manokana atao hiadiana amin’ireo tasy mainty mipoitra eo amin’ny nifin’ny zaza na ny ankizy. Raha tena be loatra ireo tasy ireo ka mihoatra ny 6 taona ilay zaza dia azo atao ny mitondra azy any amin’ny mpitsabo nify mba hikikisana mora ireo tasy ireo hiala. Matetika nefa miverina ihany ireo tasy ireo raha mbola tsy miova ny « composition » ny rora. Mandrapiandry izany fotoana izany dia mila tandrovana hatrany ny fahadiovan’ny ati-vava sy ny nifin’ny zaza mba hisorohana ny areti-nify sy ny aretin’ny hihy.

Lire la suite

Articles Similaires