• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
Reny&Zaza

Bevohoka : ‘Ndeha ho resahana ny mikasika ny « bouchon muqueux »

07/10/2024 15:15 © Moov.Mg

Isan’ireo fambara miseho rehefa akaiky ho teraka ny bevohoka ny fivoahan’ny « bouchon muqueux ». Matetika rehefa amin’ny zaza voalohany dia mety ho taitra sy atahotra tokoa ny bevohoka rehefa mivoaka izy io. Mba hampitoniana ny sain’ireo miandry zaza voalohay ary dia ho resahana eto ny tsara fantatra mikasika ny « bouchon muqueux ».

Inona no atao hoe « bouchon muqueux » ?

Ny « bouchon muqueux » dia fiangonana « glaire cervicale » na « perte blanche » mandritra ny fitondrana vohoka. Miendrika zavatra matevina sy madity miforona eo amin’ny vozon’ny tranon-jazan’ny bevohoka izy io. Mitana andraikitra lehibe eo amin’ny fizotran’ny fitondrana vohoka ny « bouchon muqueux » satria izy io no mibahana ny bakteria tsy ho tafiditra anaty tranon-jaza. Eo amin’ny fivaviana no mivoaka izy io ary zavatra ara-boajanahary ny fivoahany ao ka tsy tokony misy mampanahy.

Oviana no mivoaka ny « bouchon muqueux » ?

Rehefa mifarana ny fitondrana vohoka, izany hoe rehefa akaiky ny fotoana hiterahana na ny « DPA » no mivoaka ny « bouchon muqueux ». Amin’io fotoana io tokoa mantsy dia miova ny vozon’ny tranon-jaza ary manomboka misokatra. Rehefa izay dia miala ilay « bouchon muqueux » miraikitra eo amin’ny ka mivoaka ny fivaviana. Miankina amin’ny bevohoka tsirairay ny fivoahan’izy io. Mety tonga dia mivoaka be dia be anatin’ny andro iray nefa koa mety hivoaka tsikelikely mandritran’ny andro maro.

Midika fa efa manomboka mietsi-jaza ve ny fivoahan’ny « bouchon muqueux » ?

Marihana fa tsy voatery midika fa efa mietsi-jaza na efa ho teraka afaka fotoana fohy ny bevohoka rehefa mivoaka ny « bouchon muqueux ». Samy manana ny toe-batany tokoa mantsy ny vehivavy tsirairay. Eo amin’ny bevohoka sasany dia mety hivoaka eo amin’ny 10 andro mialohan’ny fotoana hiterahana izy io. Mety tsy hivoaka ihany koa nefa izany raha tsy efa amin’ny andro iterahana. Raha ity faharoa no mitranga dia mety misy fambara hafa miseho miaraka amin’izany, toy fivoahan’ny ranon-dohany, ny fahatsapana kakerin’ny zaza na ny « contraction utérine »…

Lire la suite

Articles Similaires