Fahazarana isa-maraina manampy ampitomboana ny fifantohana
Misy fiantraikany lehibe amin’ny fahafahantsika mifantoka mandritra ny asa sy ny raharaha andavanandro ny fomba anombohantsika ny andro. Misy fahazarana tsotra nefa mahomby izay afaka manampy ny atidoha hiasa tsara kokoa, hampihena ny fanelingelenana ary hitazona hery ara-tsaina maharitra. Araho eto àry ny santionany amin’ireo fahazarana maraina afaka manampy amin’ny fanatsarana ny fifantohana.
Mifoha amin’ny ora tsy miovaova
Tian’ny atidoha ny filaminana sy ny fahazarana. Ny fifohazana amin’ny ora mitovitovy isan’andro dia manampy amin’ny fandrindrana ny famantaran’andro anatiny (horloge biologique) ary manatsara ny kalitaon’ny torimaso. Rehefa voalanjalanja tsara ny gadona fatoriana sy fifohazana dia mora mailo ny saina ary tsara kokoa ny fifantohana. Na amin’ny faran’ny herinandro aza dia tsara raha tsy atao mifanalavitra loatra ny ora mahazatra ny fifohaza.
Tsy mijery finday avy hatrany rehefa mifoha
Maro ny olona manana fahazarana mijery hafatra, tambajotra sosialy na vaovao vao mifoha. Mety hanavesatra ny atidoha izany satria alohan’ny hanombohan’ny andro izy dia efa feno vaovao sy fampahafantarana maro sahady.
Ny fanomezana minitra vitsivitsy ho an’ny tena alohan’ny hijerena efijery dia manampy amin’ny fitoniana sy ny fahadiovan-tsaina. Mety hampihena ny rarintsaina ateraky ny fampandrenesana (notifications) maro ihany koa izany.
Maka hazavana voajanahary
Zava-dehibe amin’ny fifohazan’ny vatana ny hazavan’ny masoandro. Ny fanokafana varavarankely, ny fijoroana eny ivelany mandritra ny fotoana fohy na ny fanaovana dia kely maraina dia manampy ny vatana hahatsapa fa fotoana hiasana sy hihetsiketsika izao.
Manampy amin’ny fampitomboana ny fahamailoan-tsaina sy ny fifantohana mandritra ny andro ihany koa ny hazavana voajanahary.
Misotro rano rehefa mifoha
Mandritra ny torimaso dia very rano ny vatana. Na dia tsy dia betsaka aza izany dia mety hisy fiantraikany amin’ny fitadidiana, ny fifantohana ary ny fahaiza-miasan’ny atidoha.
Ny fisotroana rano iray na roa vera rehefa mifoha dia manampy amin’ny famerenana ny rano very ary manomana ny vatana sy ny atidoha hiatrika ny tontolo andro.
Mihinana sakafo maraina voalanjalanja
Mila angovo ny atidoha mba hiasa tsara. Ny sakafo maraina misy proteinina, fibra ary gliosida dia manampy amin’ny fitazonana hery sy fifantohana maharitra mandritra ny maraina.
Ohatra amin’izany ny atody, voankazo, yaourt, ovy na mofo. Ny sakafo be siramamy kosa dia mety hampiakatra vetivety ny angovo, saingy arahin’ny fidinany haingana izay mety hanelingelina ny fifantohana.
Manao fanatanjahantena kely
Na minitra vitsy monja aza dia mety hanatsara ny asan’ny atidoha ny fampihetsiketseham-batana maraina. Ny dia tongotra, ny fanazarantena fanalefahana hozatra na ny fanatanjahantena tsotra dia mampitombo ny fikorianan’ny rà sy ny « oxygène » mankany amin’ny atidoha.




