Fahasalamana: Ireo vokatsoa azo avy amin’ny kotomila
Fampiasantsika hanomezana hanitra sy tsiro ary hanaingoana ny nahandro isan-karazany ny kotomila. Mbola vitsy ny mahafantatra fa mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana ny fihinanana azy ireny. Andeha ary ho resahana eto ny santionany amin’ireo vokatsoa azo avy amin’ny kotomila.
Vokatsoa azo avy amin’ny kotomila : manatsara ny fandevonan-kanina
Isan’ireo vokatsoa lehibe azo amin’ny fihinanana kotomila ny fiasany eo amin’ny fanatsarana ny fandevonan-kanina. Manampy amin’ny fampitoniana ny kibo mangotiky ny rivotra sy fanaintainan’ny vavony ny kotomila noho izy manana fiasa « antispasmodiques » sy « carminatives ». Ankoatra izay dia manamora ny fandevonana ny sakafo ihany koa izy ireny.
Manankarena otrikaina
Anisan’ireo antony tsara hinanana kotomila matetika ilay izy mitahiry otrikaina sy mineraly maro ilain’ny vatantsika. Anisan’ireo hita ao aminy ny :
-« Antioxydants » izay miaro ireo sela mba tsy ho mora antitra na ho mora simba ;
-Vitamina. Manankarena vitamina K izay manampy amin’ny « coagulation » ny rà ny kotomila. Ny vitamina C ao aminy dia manamafy ny hery fiarovana sy mitandro ny fahasalaman’ny hoditra ;
-Mineraly. Ahitana mineraly toy ny « fer », « calcium » sy « magnésium » izay miantoka ny fahasalamana sy ny fiasan’ny taova maro ao amin’ny vatana ny kotomila ;
-« Bêta-carotène ». Ny ravin’ny kotomila dia manankarena « bêta-carotène », izay manohana ny fiasan’ny vitamina A.
Ireo vokatsoa hafa azo avy amin’ny fihinanana kotomila
Maro ihany koa ireo vokatsoa ara-pahasalamana azo avy amin’ny fihinanana kotomila :
-Manampy amin’ny fampihenana ny « inflammation » ao amin’ny vatana ka afaka mandray anjara amin’ny fampihenana ny fanaintainan’ny vanintaolana sy ny hozatra ;
-Mandrindra ny tahan’ny siramamy ao anaty rà (glycémie) no izy afaka manampy amin’ny fampiakarana ny tahan’ny « insuline » sy mampihena ny siramamy anaty rà ;
-Manampy amin’ny « détoxification » na fanadiovana ny ao anatin’ny vatana ;
-Manatsara ny torimaso noho izy manampy amin’ny fampitoniana ny tebiteby sy ny rarintsaina.
Fanamarihana
Marihana fa tsy tsara ho an’ny olona manaraka « traitements coagulants » ny kotomila noho izy io mitahiry vitamina K amin’ny tahany ambony izay mandrisika ny « coagulation » ny rà.



