Andro fahavaratra : Mila tandremana ny aretin-kibo !
Miakatra ny rano sy ny loto, mirongatra ny lalitra sy ny areti-mifindra, mora mivadika ny sakafo, vokatra be ny karazam-boankazo maroloko : manamarika ireo rehetra ireo fa tonga indray ny vanim-potoan'ny fahavaratra. Tsikaritra nefa fa miha-marobe ny olona marary kibo amin'ny vanim-potoana toy izao, na zaza na ankizy na olondehibe.
Ny aretim-pivalanana no tena mpahazo ny olona rehefa fahavaratra toy izao. Ireto àry misy teboka vitsivitsy tsara fantarina.
Rano avy nampangotrahina no sotroina
Raha ny tena tsara dia rano amin'ny tavoahangy mihidy no sotroina. Mbola vitsy nefa hatreto ireo fianakaviana mahatakatra izany. Amporisihina àry ny rehetra mba hisotro rano madio, avy nampangotrahina na nodiovina tamin'ny akora manokana.
Na dia mafana aza ny andro, tsy tokony ho voasariky ny "jus naturel" amidy eny rehetra eny. Marobe mantsy ireo mpivarotra mampiasa rano tsy voadio tsara amin'ny fanamboarana ireny ranom-boankazo ireny.
Sasana tsara ny tanana, ny legioma sy ny voankazo
Mila hamafisina ny fahadiovana amin'ny vanim-potoan'ny fahavaratra. Tokony sasana tsara avokoa ny legioma sy voankazo, indrindra raha hanina manta. Fadiana mihitsy ny mihinana voankazo tsy voasasa, na dia voasana tsara aza : marobe ohatra ireo mividy manga ka fafana fotsiny dia voasana avy hatrany.
Hajaina ny fitehirizana sakafo
Koa satria mafana ny andro, mora mivadika na ny sakafo na ny zava-pisotro. Singanina manokana ny vokatra azo avy amin'ny ronono sy ny sakafo misy "mayonnaise". Noho izany, ilaina ny mampiasa vata fampangahatsiahana raha mora mivadika ny sakafo na ny zava-pisotro. Fadiana ny mihinana ireo sakafo mora mivadika nefa mitanin'andro, toy ny composé na sandwich anaty "vitrine" taratry ny masoandro.
Ahena ny fihinanana kiendiendy sy misy akora simika
Manimba ny taova fandevonan-kanina sy manakorontana ny fiasany ny sakafo endasina sy misy akora simika. Tafiditra ao anatin'izany ny sakafo misy "épices". Ahena ny fihinanana sakafo matsiro nefa misy akora simika, ny zava-pisotro misy "gaz", ny alikaola ary ny kafe.
Amporisihina ny fisotroana rano betsaka : rano tsotra fa tsy "jus" na dite na kafe.



