Fahasalamana : torohevitra manampy hisorohana ny « varices »
Ny « varices » dia ireo lalandrà mihitatra tsy ara-dalàna, miolakolaka ary hita mivoitra ambanin’ny hoditra, indrindra eo anivon’ny tongotra. Ny vehivavy no tena ahitana azy io, fa mety hahavoa ny lehilahy ihany koa nefa izany. Amin’ny ankapobeny dia nolovaina (héréditaires) ny « varices », nefa misy ihany koa ireo anton-javatra hafa mety hampisy na hampihombo azy. Fantaro ary ireo fitandremana atao hisorohana sy tsy hampihombo ny « varices ».
Fampihetsiketseham-batana : mandrisika ny fikorian’ny rà sy misoroka ny « varices »
Ny fampihetsiketsehana sy fampiasana ny vatana no isan’ny fomba manampy indrindra hiadiana amin’ny « insuffisance veineuse » izay mahatonga ny « varices ». Mandrisika ny « pompe musculaire du mollet » izany mba hampakarana ny rà mankany amin’ny fo.
Ireo karazana fanatanjahantena tsara atao :
-Dia-maika. Mora atao ary tena mandaitra ;
-Milomano. Manampy betsaka ny « pression » ny rano mba handrisihana ny fikorian’ny rà ;
-Mitondra bisikileta. Ny fivoizana bisikileta dia tena manampy amin’ny « retour veineux » ;
Ireo fanatanjahantena mila ferana na fadiana :
-Ireo fanatanjahantena mety hahavoadoana na misy « impacts », toy ny « tennis », « basket », « foot »… ;
-Ireo fanatanjahantena mila hery mafy sy fitazomana ny « respiration », toy ny fibatana fonjam-by, ny « sports de combat » sasany.
Mihinana sakafo manome otrikaina ny lalandrà
Misy fiantraikany eo amin’ny fikorian’ny rà sy ny hamafin’ny « parois vasculaires » ny sakafo hoanina. Mba hisorohana ny « varices » ary dia ilaina ny :
Misotro rano tsy latsaky ny 1,5l isan’andro. Izany dia mba hampatsora ny rà sy hisorohana ny fiandronan’ny rano (rétention d’eau) ;
Ireo sakafo tsara hoanina :
-Voankazo sy legioma manankarena « antioxydants » sy vitamina C, toy ny « baies », voasary, « poivrons », « brocolis ». Ny vitamina P ao anatin’ireo voankazo mena dia manamafy ny « parois veineuses » ;
-Sakafo manankarena « oméga-3 » sy vitamina E, toy ny trondro matavy, zavoka, « noix », « graines »… ;
-« Epices » toy ny tongolo gasy, ny solila, ny « paprika ».
Ireo sakafo tsara ferana :
-Sakafo matavy na be menaka, be sira na be siramamy ;
-Zava-pisotro toy ny kafe sy ny toaka izay mandrisika ny fahatsentsenan’ny lalandrà lehibe. Toy izany ihany koa ny sigara.
Tandremana ny fomba fipetraka amin’ny andavanandro
Ny « sédentarité », na hoe ny tsy fanetsiketseham-batana fa mipetraka lava na matory lava, dia isan’ireo fahazarana fahavalon’ny fikorian’ny rà.
Mba hisorohana ny fiandronan’ny rà dia :
-Fadiana ny mipetraka na mijoro ela loatra. Raha toa ny asa atao ka mitaky fijoroana na fipetrahana ela dia mila maka minitra vitsy mandendeha kely isaky ny adiny iray ;
-Fadiana ny mampifanaingina ny tongotra rehefa mipetraka ;
-Rehefa mitsotsotra maka aina dia atao mivoitra ambony, mifanandrify ny hahavon’ny fo, ny tongotra mandritra ny 10 hatramin’ny 15 minitra. Izany hoe asiana ondana kely ohatra ao ambanin’ny tongotra mba ho avoavo ity farany.
Tandremana tsara ny hafanana
Ny hafanana dia mampihitatra ny lalandrà ka mety hitarika vokadratsy. Rehefa mafana ary ny andro dia :
-Tsara kokoa raha rano matimaty na mangatsiaka no handroana sy hisasana. Tondrahana rano mangatsiaka ny rano amin’ny farany.
-Tsy mijanona maharitra eo amin’ny hain’andro.
Safidiana tsara ny akanjo sy kiraro anaovana
-Akanjo malaladalaka no tsara anaovana. Fadiana ny manao fehikibo na « gaines » tery loatra izay manery ny vatana ;
-Ferana ny fanaovana « talons » avo loatra.



