• Cours de change
  • 5096.73 AR
  • |
  • $4453.75 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Taombaovao Malagasy – Ambohidrabiby : Fiombonam-po tamin’ny famaranana ny taona

29/03/2025 19:52 © Moov

Nanomboka androany 29 marsa ny fankalazana ny taombaovao Malagasy. Koa satria andro farany amin’ny taona no natrehina, nisy ny fidiovana tamin’ny rano sy tamin’ny afo ho an’ny teny Ambohidrabiby. Vory marobe ireo mpanotrona, na ny avy aty an-drenivohitra na ny avy teny amin’ny manodidina.

Kabary fiarahabana

Toy ny fomba malagasy rehetra dia atomboka amin'ny kabary hatrany ny lanonana. Nisantatra izany ny avy amin'ny taranak'Antehiroka. Ireo avy ao Antehiroka mantsy hono, araka ny fomba eto Imerina, "tsy hialohava-miteny". Araka io fomba malagasy io dia ny fitondrana ny fialantsiny sy ny fanomezan-kasina ireo mpanatrika ary ny fanolorana ny arahaba no tena votoatin'ny lahateny. Nitohy tamin'ny fandraisam-pitenenan'ireo solontenam-panjakana samihafa, toy ny sefom-pokontany sy ben'ny tanàna, izany.
Nisitraka fanazavana samihafa mikasika ny Taombaovao Malagasy ireo mpanotrona. Tamin’izany no nanazavan’ireo mpikarakara fa tsy anavahana foko na fiaviana ny fankalazana. Samy afaka manao fety any an-tokantranony ihany koa ny tsirairay avy.

Fidiovana

Tsy afaka mankalaza ny fety kosa ny Malagasy raha tsy midio. Ny fidiovana izany no nentina nanombohana ny fankalazana rehetra. Io fotoana io no hiomanana amin'ny fidirana amin'ny taona vaovao ka fanalana ireo ratsy rehetra sy fangataham-pitahiana mba hitondra soa ny taona vaovao.
Teny amin'ny loharanon'Andohalo izay ao Atsimon-tanàna no tokony hidiovana amin'ny fomba ofisialy. Noho ny toerana somary saro-dalana nefa dia nisy toerana manokana natokana ho an'ireo somary efa nahazoazo taona. Efa misy ny rano izay nohamasinina ka iny no nidiovan'izy ireo, teo amin'ny vavahady eo atsimon'ny Rova.
Amin'iny fotoana iny amin'ny ankapobeny dia mitovy ihany ny fihetsika atao. Manasa tanana amin'ny rano aloha sady mieritreritra ao am-po ny ratsy tiana ho esorina. Rehefa izay dia manasa tarehy ary entina miakatra mankany amin'ny loha izany. Omen'ireo olon-dehibe tsodrano kosa rehefa avy eo, toy ny hoe " Ho afaka ny ratsy rehetra ary ho toa anie izay kasaina".

Fandrehetana ny Afo tsy maty

Teto vao tena miditra amin'ny ivon'ny fankalazana ireo mpikarakara sy mpanotrona. Mandrehitra ny afo tsy maty ireo olobe, mba ho famelombelomana ny fiainana. Fomba iray natao hanalana ireo mety ho fanahy ratsy ka tsy hitondrana azy amin'ny taona vaovao izy ity. Amin'ny Malagasy, ny afo dia manana hery afaka manao izany asa izany ka izay no anton'ny afo tsy maty. Izany hoe natao hisintomana ny hery tsara ho an'ny taona vaovao ihany koa. Ny afo izany dia hazavana sy ny tsara rehetra ka izany no entina ho an'ny taona vaovao. Mafana ny afo ka izay hafanany izay no ilaina mba hialan'ny hatsiaka na ny mety ho loza tsy hanaraka amin'ny taona vaovao.
Omena tsodrano amin'ny alalan'io hazavana io avokoa ny zorony efatra ho soa ho an'ny rehetra. Avela hirehitra eo an-toerana mandrapaha-tapitra ny lanonana rehetra io afo io. Izay ho fanilo miampita ho amin'ny taona vaovao rehetra ho avy. Samy naka tamin’izany afo izany ny rehetra, ka misy ireo nitondra tranonjiro kely mba tsy ho faty ny labozia mirehitra. Ao kosa ireo labozia fotsiny no nentiny, ka rehefa namono izany dia tsy notsofina fa nokasihana tamin’ny sotro.

Arendrina sy kilalao samihafa

Fomba malagasy manana ny maha-izy azy ity taombaovao malagasy ity. Ao anatin'izany dia ireo hetsika tena maha-malagasy ihany koa no entina hankalazana azy. Ny hariva teo, nisy ny fizarana ny arendrina. Nitondra izany manodidina ny tanàna ny ankizy kely.
Nitohy tamin'ny lalao isan-karazany sy fanentanana samihafa ny fotoana. Isan'ny efa nomanina ny fanorona ho an'ireo izay liana tamin'izany. Etsy ankilany, nahafinaritra tokoa ny vakodrazana sy fanentanana samihafa toy ny dihy sy ny antsa tononkalo.

Totorebika mandra-maraina

Hamaranana ity andro fitsenana ny taona vaovao ity dia misy ny totorebika mandra-maraina. Hilanonana amin'ny mozika sy ny dihy ny mpanatrika ary tsy hanavahana ny fety. Natao hiandrasana ny taona vaovao indrindra ireo lanonana ireo.
Rahampitso 30 marsa, izay voalohan'ny taona kosa dia hisy fandaharam-potoana samihafa amin'ny endriny samy maneho ny maha-malagasy avokoa. Mbola azon’ny rehetra atrehina ihany koa ny fotoana rahampitso. Hisy ny fanomezan-tsodrano, na am-bava na amin’ny alalan’ny rano. Tsy adino ny famononana omby.

Lire la suite

Articles Similaires