Tohana avy amin’i Rosia : Nahazo fitaovana fanamboaran-dalana sy hampivoarana ny any ambanivohitra ny Tafika Malagasy
Nahazo fitaovana fanamboaran-dalana sy fitaovana azo ampiasaina eny ambanivohitra, avy amin’ny Federasionan’i Rosia, ny Tafika Malagasy. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny toby miaramila Ivato ireo fitaovana ireo, izay natao hanamafisana ny fahafaha-manaon’ny Tafika amin’ny asa fanarenana fotodrafitrasa sy ny fiatrehana ireo toe-javatra maika.
Fitaovana vaovao hanohanana ny tontolo ambanivohitra
Notontosaina omaly 9 jona 2026, teny amin’ny Toby Jeneraly Monibou Ismaël, Ivato, ny lanonana fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo fampitaovana avy amin’ny Federasionan’i Rosia, ho fanohanana ny Tafika Malagasy amin’ny asa fampandrosoana, indrindra ny eny ambanivohitra. Ireo fanampiana ireo dia ahitana fiara mpanosika tany, fitaovana mpamokatra herinaratra telo, fitaovana mpamokatra rano madio azo entina mandehandeha telo, fiara lehibe mpanilika tany sy mpanamboatra lalana iray, fiara lehibe mpibata fitaovana sy entana mavesatra iray, ary fiara lehibe mpangady lavaka.
Tsy natao ho an’ny asa ara-miaramila ihany ireo fitaovana ireo fa natao hanohanana ireo asa sivily ihany koa, indrindra amin’ny fanarenana fotodrafitrasa sy ny fiatrehana ireo loza voajanahary. Araka ny fanazavana, hampiasaina amin’ny fanesorana ny korontam-bato sy potipoti-javatra, amin’ny fanamboarana lalana vonjimaika, ny fanarenana tetezana sy fotodrafitrasa simba ireo fitaovana ireo, ka hanampy amin’ny famerenana haingana amin’ny laoniny ireo faritra tratran’ny fahasimbana, indrindra taorian’ny fandalovan’ireo rivodoza Fitia sy Gezani izay niteraka takaitra tamin’ny faritra maro teto Madagasikara. Azo ampiasaina amin’ny famatsiana herinaratra vonjimaika any amin’ireo toerana voakasiky ny loza ihany koa ireo fitaovana famokarana herinaratra, ary hanampy amin’ny fahazoana rano fisotro madio kosa ireo fitaovana fanadiovana rano.
Fitohizan’ny fiaraha-miasa efa an-taonany maro
Araka ny fanazavan’ny filohan’ny Fanavaozana, efa maherin’ny 50 taona ny fifandraisana eo amin’i Rosia sy Madagasikara. Nilaza izy fa tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa efa nisy hatramin’izay ity fanampiana ity, indrindra eo amin’ny sehatry ny fiarovana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny Tafika Malagasy. Notsiahiviny fa efa nisy hatramin’izay ny fifandraisana ara-teknika sy ara-tafika teo amin’ny firenena roa tonta, ka isan’izany ny fanohanana tamin’ny alalan’ny fitaovana sy ny fampiofanana ireo miaramila malagasy.
“Manana ny maha-izy azy ny fiaraha-miasa amin’ny lafiny ara-miaramila eo amin’ny Federasionan’i Rosia sy Madagasikara, satria ahafahan’ny Tafika Malagasy mitazona ny fifandraisana sy mampitombo ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatra maro”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana. Ho an’i Alexeï Buriak, ity fanolorana fitaovana ity dia maneho ny fahavononan’i Rosia hanohy ny fanohanana an’i Madagasikara. Nilaza izy fa tsy mifarana amin’ny sehatry ny fiarovana ihany ny fiaraha-miasa fa miitatra amin’ny sehatra sivily ihany koa. “Ny fanampianay dia mikendry ny hanamafisana ny fifandraisana eo amin’i Rosia sy Madagasikara, izay efa maherin’ny dimampolo taona ny tantarany. Ireo fitaovana ireo, tahaka ireo kamiao natolotr’i Rosia teo aloha, dia azo ampiasaina amin’ny fiatrehana ny voka-dratsin’ny loza sy ny toe-javatra maika ary amin’ny fananganana fotodrafitrasa sosialy”, hoy izy.
Fanamafisana ny fitaovana ananan’ny Tafika Malagasy
Nanatrika ity lanonana ity ny filohan’ny Fanavaozana, ny kôlonely Randrianirina Michaël, niaraka tamin’ireo Mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana, ny praiminisitra Mamitiana Rajaonarison, ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Maminirina Ely Razafitombo, ary ny lehiben’ny Etamazaoro Jeneralin’ny Tafika Malagasy, jeneraly Démosthène Pikulas. Nisolo tena ny Federasionan’i Rosia kosa i Alexeï Buriak, Mpisolo toerana vonjimaika ny Masoivohon’i Rosia eto Madagasikara.
Nandritra ny lanonana dia nasehon’ireo manampahaizana manokana avy amin’ny Tafika Rosiana ihany koa ny fomba fampiasana sy ny lafiny teknikan’ireo fitaovana natolotra. Ity fampitaovana ity dia manampy amin’ny fanamafisana ny fitaovana ananan’ny Tafika Malagasy amin’ny fanatanterahana asa fanamboaran-dalana sy asa vonjy taitra, indrindra amin’ireo fotoana ilàna fandraisana andraikitra haingana eny ifotony.




