• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Tandindomin-doza ny ranomasina : maika ny fiarovana ny harena manga, andrin’ny toekarem-pirenena

08/06/2026 17:06 © Moov.Mg

Ankalazaina androany 8 jona ny andro eran-tany ho an’ny ranomasimbe. Ho an’i Madagasikara, nosy voahodidin’ny ranomasina, dia manana anjara toerana lehibe amin’ny toekarena sy ny fiainan’ny mponina ny harena an-dranomasina. Manoloana ny fitomboan’ireo loza mitatao aminy anefa, dia miantso fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny fiarovana azy ny Fanjakana sy ireo mpiaro ny tontolo iainana.

Ranomasina, mifamatotra amin’ny fiainan’ny Malagasy

Mitana toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara ny ranomasina. Amin’ny maha-firenena nosy azy, dia miankina betsaka amin’ny harena manga ny fiainan’ny Malagasy maro, na amin’ny sehatry ny jono, ny fizahan-tany, ny fitaterana an-dranomasina na ny fanondranana vokatra. Araka ny nambaran’ny Profesora Maharavo Jean, minisitry ny Jono sy ny Toekarena manga, dia loharanon-karena lehibe ho an’ny firenena ny ranomasina. Ankoatra ny famelomana fianakaviana maro, dia manome sakafo manankarena otrikaina ihany koa izy, indrindra amin’ny alalan’ny hazandrano izay manampy amin’ny fampivelarana ny vatana sy ny saina.

Midika izany fa tsy voafetra amin’ny lafiny ara-tontolo iainana ihany ny lanjan’ny ranomasina, fa mifamatotra mivantana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fitomboan’ny toekarem-pirenena.

Mihamafy ireo tsindry mianjady aminy

Na dia manana anjara toerana lehibe aza anefa ny ranomasina, dia miatrika fanamby maro izy amin’izao fotoana izao. Anisan’ireo olana goavana ny fitrandrahana tafahoatra any amin’ny faritra sasany sy ny fampiasana fomba fanjonoana tsy manara-dalàna,izay manohintohina ny faharetan’ny harena an-dranomasina. Mbola olana lehibe ihany koa ny fisian’ireo sambo mpangalatra sy mpijirika an-dranomasina, izay sarotra araha-maso noho ny haben’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Vokatr’izany dia mihena tsikelikely ny tahirin-karena avy amin’ny jono, nefa tsy mitsaha-mitombo kosa ny filàn’ny mponina.
Ankoatra izany, manampy trotraka ny voka-dratsin’ny fiovan’ny toetr’andro. Ny fiakaran’ny maripanan’ny ranomasina, ohatra, dia manimba ireo rohivoary marefo sy ny zavamananaina miankina aminy.

Harena voajanahary mila arovana

Nambaran’ny WWF Madagasikara fa tsy haingon-tontolo fotsiny ny haran-dranomasina, ny ala honko ary ny ahitra an-dranomasina eto Madagasikara. Miaro ny morontsiraka izy ireo, mitahiry karazana zavamananaina maro tsy manam-paharoa, manohana ny jono ary mamelona vondrom-piarahamonina an’arivony, indrindra any amin’ny faritra amorontsiraka. Ankoatra izany, mamokatra mihoatra ny antsasaky ny oksizena iainantsika ny ranomasina ary mandray anjara lehibe amin’ny fandrindrana ny toetr’andro maneran-tany. Izany no mahatonga ny fiarovana azy ho adidy iombonana.

Manoloana izany zava-misy izany, dia nanamafy ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena manga fa mametraka paikady isan-karazany ny Fanjakana sy ireo mpiara-miombona antoka aminy mba hampaharitra ny fitrandrahana ny harena an-dranomasina. Na izany aza, tsy ho ampy ny ezaky ny tompon’andraikitra raha tsy misy ny fandraisan’anjara avy amin’ny olom-pirenena tsirairay. Anisan’ny hetsika tsotra nefa manan-danja, ohatra, ny fampihenana ny fako plastika, ny fisorohana ny fanariana fako any anaty ranomasina ary ny fanohanana ireo hetsika fiarovana ny tontolo an-dranomasina.

Lire la suite

Articles Similaires