Doro tanety any Fitovinany sy Atsimo Atsinanana : Trano 60 tafo no kila forehitra
Niteraka fahavoazana goavana tany amin’ny Faritra Fitovinany sy Atsimo-Atsinanana ny doro tanety nisesisesy nitranga tany an-toerana, araka ny tatitry ny Birao Nasionaly misahana ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandindondoza (BNGRC) omaly.
Fotodrafitrasa vao notokanana
Ny alin’ny 24 desambra 2024 no nahazo fampandrenesana ny BNGRC, ny amin’ny hamafin’ny loza vokatry ny doro tanety any amin’ny Faritra Fitovinany sy Atsimo-Atsinanana, hoy ny fanazavan’ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja. Fantatra, nandritra izany, fa tratran’ny afo avy amin’ny doro tanety ny tanànan’Ambohimandroso ao amin’ny Distrikan’i Manakara. Niitatra izany ka nahazo tanàna miisa 5 ao amin’ny Distrikan’i Vohipeno, indrindra ireo tanàna tafiditra ao anatin’ny kaominina Ambanivohitr’Amborobe. Saika voakasiky ny afo ihany koa ny fotodrafitrasa famatsiana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro (hub solaire), izay vao notokanan-drtoa Claire Pierangelo, masoivohon’i Etazonia miasa eto amintsika, niaraka tamin-drtoa Michele Russel, tale jeneralin’ny Sampandraharaha amerikanina misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) eto Madagasikara.
Tra-boina
Noho ireo vahoaka sy herivelona rehetra nandeha nirohotra namonjy ity fotodrafitrasa mitondra angovo maitso ity, dia avotra soa aman-tsara izany, saingy sahirana tamin’izany ireo vahoaka, ka tsy nahavita niaro ny trano fonenany sy ny fananany, hoy hatrany ny avy eo anivon’ny BNGRC. Vokatr’izany, trano 60 tafo no kila forehitra ary maherin’ny 520 ha ny ala sy ny tanim-bolin’olona may tanteraka. Olona miisa 4, ahiana ho tompon’antoka amin’ny fandrehetana ny afo, no efa voasambotra sy natolotra ny mpanao fanadihadiana, araka ny tatitra hatrany. Heverina ho niniana natao izany afo izany, hoy ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja, noho ny fahitana fa raha miezaka mamono trangan’afo iray ny herivelona rehetra, dia misy afo hafa miforona indray.
Efa manetsika ireo mpiara-miombon’antoka rehetra ny BNGRC ary efa nanatanteraka fivoriana fandrindrana asa, niaraka tamin’ireo mpanohana ara-teknika sy ara-bola, toa ny USAID, ny Sampandraharahan'ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo (PAM), ary ny Masoivoho Advantista ho an'ny Fampandrosoana sy ny Fanamaivanana ny Fahavoazana (ADRA). Efa misy ihany koa ny fanisana ireo olona traboina, ahafahana mitsinjara ireo fanampiana hozaraina amin’izy ireo. Efa misy kosa ny sakafo hamonjena ireo olona traboina ireo, izay tafiditra ao anatin’ny paikady fiomanana mialoha efa napetraky ny BNGRC.