Fety ieren-doza : Manamafy ny fitsirihana fiara ny Foibe Fitsarana Fiarakodia
Nahitana lozam-pifamoivoizana maromaro ihany ny fandalovana tamin’ny fetin’ny krismasy teo. Hialana amin’izany dia manamafy ny fepetra mba ho fety hieren-doza ny fetin’ny taom-baovao 2025 ny avy ao amin’ny Foibe Fitsarana fiarakodia. Isan’ny fepetra noraisina tao anatin’izany ny fitsirihana ny fiara rehetra izay mandeha.
Hamafisina ny fitsirihana ara-teknika
Miantoka betsaka amin'ny fihenan'ny lozam-pifamoivoizana ny fahatomombanan'ny fiara. Araka izany, hamafisina ireo fitsirihana ara-teknika an-dalambe sy ny fanabeazana ny mpampiasa lalana manerana ny Nosy (contrôles techniques inopinées) ataon’ny Foibe fitsarana fiarakodia (DGSR). Izany dia ho tanterahina amin'ny alalan'ny sampan-draharaha misahana ny hetsika sy fitsirihana ara-teknika tampoka an-dalambe (SOCR) sy ireo Ivon-toerana fitsarana fiarakodia (CENSERO) manerana ny Nosy. Etsy andaniny ihany koa dia hamafisinina toy izany koa ny fitsirihana ara-teknika mialohan’ny hiaingan’ireo fiara mpitatitra olona (contrôles techniques avant départ) eny amin’ny tobim-piantsonana rehetra (Gares Routières) mba hanenana faran’izay tratra ny lozam-pifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena (RN). Manan-kery mandroso sy miverina ny taratasy fanamarihana ny fandalovana tamin’ny « contrôle technique » ho an’ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly. Mila hatao indroa isaky ny herinandro kosa ny an’ireo zotra rezionaly.
Toe-tenan’ireo mpamily
Tsy ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly sy rezionaly irery ihany no namafisin’ireo mpitandro filaminana fa eo ihany koa ireo toe-tena tokony hananan’ireo mpamily tsirairay. « Mila omanina mialoha ny fiara mba tsy hisian’ny loza. Mila jerena ny maotera, ireo rehetra mifandray amin’ny familiana, toy ny hisatra, ny kodiarana ary ny jiro sy ny essui glass », hoy ny Tale Jeneralin’ny Foibe Fitsarana Fiarakodia, ny Jeneraly Reribake Jeannot. Isan’ny nomarihiny ihany koa ny tsy fiarahan’ny familiana sy ny fisotroana zava-mahadomelina ary ny harerahana be loatra. Etsy ankilany moa dia efa ahitana matetika ny fitsapana ny tahan’alikaola amin’ny vatana amin’izao, indrindra eto Antananarivo.