• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Fiomanana amin’ny valanaretina : Nanome lesona ho an’ny firenena maneran-tany ny COVID-19

27/12/2024 15:51 © Moov.Mg

Marihina androany 27 desambra 2024 ny andro iraisam-pirenena ho fiomanana amin’ny valanaretina. Ny taona 2020 no nametrahan’ny Firenena Mikambana ny fanamarihana ity daty ity, izay mampahatsiaro ny maha-zava-dehibe ny fiomanana sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, manoloana ny valanaretina tahaka ny COVID-19.

Fampahatsiahivana mavaivay

Fampahatsiahivana mavaivay ho an’ny zanak’olombelona ny niparitahan’ny valanaretina COVID-19 maneran-tany. « Aina an-tapitrisany no nafoy, nirodana ny toekarena, tonga hatreo amin’ny fetrany ny rafitry ny fahasalamana ary nikorontana ny andavanandrom-piainan’ny olombelona rehetra amin’ny ankapobeny », araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS), António Guterres, tao anatin’ny lahateny mifono hafatra, natokany ho amin’ny fanamarihana ity andro iraisam-pirenena ho fiomanana amin’ny valanaretina ity. Efa tapitra ny krizy, fa mangidy ny lesona nomeny, hoy hatrany ity tomponandraikitra ambony ao amin’ny Rafitry ny Firenena Mikambana ity. Miharihary tokoa mantsy fa ratsy fiomanana amin’izay mety ho valanaretina ho avy izao tontolo izao. « Ny fisian’ireo aretina miparitaka, toy ny nendran-drajako (mpox), ny kôlera, ny lefakozatra, ny « maladie de Marburg », dia mampahatsiaro mafy antsika fa mbola tena loza mitatao ho an’ny firenena rehetra, amin’izao fotoana izao , ny areti-mifindra », hoy ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny OMS.

Rafitry ny fahasalamana matanjaka

Araka izany, miantso ny firenena rehetra tsy an-kanavaka i António Guterres mba hahay handray lesona amin’ireo hamehana ara-pahasalamana efa niainana, ka hiomana amin’ny fomba tsaratsara kokoa amin’ny ho avy. Mba hahafahana manatanteraka izany dia mila mametraka sy manamafy rafitry ny fahasalamam-bahoaka matanjaka sy mety ho an’ny daholobe. Tokony samy hanatanteraka ny fampanantenana ny amin’ny fametrahana Tolotra Fahasalamana ho an'ny Daholobe (CSU), mila mampitombo ny vola ampiasaina ho an’ny fanaraha-maso ny valanaretina ary samy tokony handray andraikitra sy hanamafy ny fisorohana, amin’ny alalan’ny fidirana ao anatin’ny rafitra iraisam-pirenena ho an’ny vaksiny.

Araka ny antontanisan’ny Reuters, hatramin’ny 15 jolay 2022, izay nangonina avy amin’ireo antontanisan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka malagasy sy ny OMS Afrika, dia niisa 1 403 ny olona namoy ny ainy vokatry ny valanaretina COVID-19 teto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires