• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Haja Faniry
Image
Vaovao

Varika : Manampy amin’ny fanarenana ny ala eto Madagasikara

29/11/2024 16:30 © Moov.Mg

Antsohihy, Faritra Sofia, indray no mandray ny fankalazana ny andro natokana ho an’ny varika. Haharitra roa andro ny fankalazana, manomboka androany 29 hatramin'ny rahampitso 30 novambra 2024.

Hetsika fanentanana

“Ny varika : harem-pirenena, rehareha maneran-tany”. Io no lohahevitra nosafidiana, hanamarihana ny andron’ny varika, ho an’ity taona 2024 ity. Raha ny mahazatra dia isaky ny zoma farany amin’ny volana oktobra no hankazana ny « dihin’ny varika » maneran-tany. Efa nisy ny fankalazana notanterahina tany Ankarafantsika, Faritra Boeny, ny 24 oktobra lasa teo. Anjaran’ny Faritra Sofia indray no mandray ny hetsika entina hanandratana ireo biby tsy manam-paharoan’i Madagasikara ireo sy hanentanana ny amin’ny tokony hiarovana azy ireny. Eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ny hetsika, iarahana amin’ny Vondrona mpanadihady sy mpikaroka mahakasika ny Varika eto Madagasikara (GERP). Nosafidiana ny Faritra Sofia, noho ny fananany karazana varika, raha tsy hilaza fotsiny afa-tsy ny akomba manga maso sy ny aïe aïe. Tsiahivina fa misy karazana varika miisa 112 eto Madagasikara ary eto amintsika ihany no ahitana azy ireny.

Hetsika fiarovana

Tanterahina any Maroantsetra manomboka androany ihany koa ny « Festival des lémuriens » andiany faha-20, fanao any an-toerana, ary haharitra telo andro izany, hatramin’ny alahady 1 desambra izao, karakarain’ny fikambanana tsy miankina Antongil Conservation. Tanjon’ny hetsika ny hanentanana ny mponina momba ny fiarovana ny varika sy ny toeram-ponenany, dia ny ala izany. Hetsika ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina ary fampirantiana momba ny varika no entina manamarika ireo telo andro ireo, ao anatin’ny lohahevitra hoe : « Ny ala no harenantsika » (Notre richesse, c’est notre forêt). Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny rohivoahary tokoa mantsy ny varika. Ireo karazany mpihinana voankazo, ohatra, dia miantoka ny fanapariahana ny voany sy ny fitsirian’izy ireny, ka manampy amin’ny famerenana ny ala indray, indrindra any amin’ny faritra saro-dalana, tsy tratran’ny fambolen-kazo ataon’olombelona.

Momba ny famerenana ireo varika naondrana an-tsokosoko tany Thaïlande, izay nandrasana ho tonga eto an-tanindrazana androany, dia fantatra fa nahemotra indray izany, noho ny olana ara-teknika, tsy miankina amin’i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires