Vidin-tsolika Jona 2025 : Miakatra indray ny vidin'ny Essence SP 95 sy ny Pétrole
Ahitam-panitsiana indray ny Vidin-tsolika amin'izao fiandohan'ny volana izao. Amin'ity Jona 2025 ity, jifaina 5 520 ar/L ny Essence, 5 100 ny Gasoil ary 3 430 ny Pétrole.
Raha isaky ny faha-5n'ny volana ny fampiharana ny vidin-tsolika vaovao isam-bolana, manomboka androany voalohan'ny volana mihitsy izany amin'ity volana jona ity.
Fidinan'ny vidin'ny Gasoil
Hahazo aina kely indray aloha ireo mpampiasa fiara "Diesel", indrindra ireo mpitatitra, amin'ity volana jona ity. 70 ariary ny fidinana, ka 5 100 ariary ny litatra raha 5 170 ariary izany teo aloha. Nisy fiakarana kosa ny vidin'ireo karazan-tsolika roa hafa :
-Lasa 5 520 ar/L raha 5 510 ar/L teo aloha ny Essence SP 95, izany hoe 10 ariary ny fiakarana;
-Lasa 3 430 ar/L raha 3 230 ar/L teo aloha ny Solika Fandrehitra na Pétrole, izany hoe 200 ariary ny fiakarana.
Mbola tafiditra hatrany amin'ny fanajana ireo fepetra apetraky ny FMI amin'ny fisitrahan'i Madagasikara fampindramam-bola moa ny "Mécanisme d'Ajustement Automatique des Prix". Arakaraka ny vidin-tsolika eo amin'ny sehatra iraisampirenena izany no anovana ny vidin-tsolika eto Madagasikara.
Fiakarana tsy miato ho an'ny Solika Fandrehitra
Hatramin'ny fiandohan'ity taona 2025 ity, nahitana fiakarana tsy an-kiato ny vidin'ny Solika Fandrehitra na Pétrole. Toy izao izany fiakaram-bidy izany : 2 430 Ar/l ny volana janoary, 2 630 Ar/l ny febroary, 2 830 Ar/l ny 5 marsa, 3 030 ar/l ny aprily, 3 230 ar/l ny volana may ary 3 430 ar/l ny volana jona. Mihatra hatrany izany ilay 200 ariary fetran'ny fampiakaram-bidy, izany hoe misy elanelam-bidy 1 000 ar/l ao anatin'ny enim-bolana .
Noho ny fiakarana efa naharitra volana maromaro, tsy vitsy ireo mponina any amin'ny toerana lavitra ny renivohitra no nampihena ny fandaniana ny Solika Fandrehitra. Ny angovo azo avy amin'ny herin'ny masoandro no azo atao solony, indrindra amin'ny fandrehetana jiro sy fampiasana "courant" amin'ireo fitaovana vitsivitsy tokony handeha amin'ny herinaratra (radio, finday, sns). Koa satria mpamboly sy mpiompy ary mpanao asa tanana no tena mampiasa ny Solika Fandrehitra, tsy azo odian-tsy hita ny fiantraikan'izany eo amin'ny vidiny sy ny kalitaom-bokatra avy eto an-toerana.
