Fetin'ny 26 jona : Hifety mandritra ny iray volana ny vahoaka Malagasy tsivakivolo
Hanomboka ny alatsinainy 2 jona ho avy izao ny fankalazana ny fetin'ny 26 jona 2025, tsingerintaona faha-65 niverenan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara.
Diabe mampiray ny faritra 24
Manoloana ny Lapan'ny Tanànan'Antananarivo, eny Analakely, no hiaingan'ny Carnaval lehibe, hanokafana ny fankalazana ny fetin'ny 26 jona. Handray anjara amin'izany ireo solontena avy amin'ny faritra 24, izay samy hisalotra ny fitafiana mampiavaka azy avy. Marihana fa ny fananganan-tsaina ho tarihin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina no hanombohana ny fotoana. Amin'io andro io no iandrasana ny antsipirihan'ny fandaharam-potoana. Hatreto aloha, efa nambaran'ireo tompon'andraikitra fa eny amin'ny Lac Iarivo Ivato indray no andefasana ny Afomanga ny takarivan'ny 25 jona, raha teny Anosy foana no nahazatra hatrizay. Azo antoka nefa fa hahatazana izany Afomanga izany avokoa ny mponin'Antananarivo sy ny manodidina. Mbola eny amin'ny kianja Barea Mahamasina ihany kosa no hanatanterahana ny matso lehibe ny andron'ny 26 jona, entina hankalazana ny tsingerintaona niorenan'ny Foloalindahy Malagasy.
Fiaraha-mankalaza ny fetin'ny 26 jona
Fetin'ny Malagasy rehetra ny 26 jona, ary tsy anavahana loko politika izany. Entanina araka izany ny tokantrano rehetra, ny orinasa, ny toeram-pivarotana, ny toeram-pisakafoana sy ireo toeram-piasana samihafa mba samy hanangana sainam-pirenena. Azo atao tsara ihany koa ny manisy sainam-pirenena anaty fiara, na fiara manokana na fiara fitateram-bahoaka.
Amposirihina ny mpanjifa rehetra mba hanome lanja ny asa tanana Malagasy amin'izao fety izao. Efa mamirapiratra eny an-tsena tokoa mantsy ireo vokatra avy any ivelany. Na dia manintona ny maso tokoa aza izy ireny, tsy tokony adinoina ny arendrina vita malagasy sy ireo karazana kilalao vita eto an-toerana. Tamin'ity herinandro fiafaran'ny volana may ity, efa manomboka hita eny an-tsena ireo karazana sainam-pirenena sy kilalao mirehidrehitra ho an'ny ankizy.
Fandaminana
Noho ny hetsika ho tanterahina ny alatsinainy 2 jona ho avy izao, hisy ny fandaminana ny fifamoivozana amin'io andro io. Ho tapaka ny lalana miainga eo Soarano hatreny amin'ny BNI Analakely, manomboka amin'ny 6 ora maraina hatramin'ny fahavitan'ny lanonana. Ho tapaka ihany koa ny fifamoivozana ny alahady 1 jona, manomboka amin'ny 9 ora maraina, manoloana ny Parvis-n'ny Lapan'ny Tanàna Analakely.
Koa satria akaiky seranampiaramanidina ny Lac Iarivo, voarara ny fampiasana Lazer ho an'ireo mpanotrona ny Afomanga rehetra ny takarivan'ny 25 jona. Voakasik'izany ihany koa ireo mpanao arendrina eny amin'ny manodidina.