Andro eran-tany ho an’ny « autisme » : Asongadina ny lafiny maha-olona an’ireo olona mifefitena
Efa manomboka mahalala ny fisian’ny fifefitena (autisme) ny eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Na izany aza anefa, mbola mila ezaka ny fampahafantarana sy ny fanentanana, mba hahafahana manaja tanteraka ny zon’ireo oloa mifefitena (autiste). Izany indrindra no antom-pisian’ny andro maneran-tany ho fampafahantarana sy fanentanana momba ny fifefitena, izay marihina isaky ny 2 aprily.
Tsy aretina fa toe-tena
Mbola mampitahotra ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny, noho ny tsy fahafantarana, ny fifefitena. Mbola mahamenatra ny ankohonana sasany ihany koa ny fananana zanaka, na havana mifefitena. Amin’izao andro maneran-tany ho fanentanana momba ny fifefitena (Journée mondiale de sensibilisation à l'autisme) izao, dia mampahatsiahy ny mombamomba ity tranga, sokajiana ho toe-tena ity ny fikambanana Autisme Madagascar.
Tsy aretina ny fifefitena fa toe-tena, hoy ny fanazavana. Manomboka eo amin'ny faharoa taonan'ny zaza no mety ho hita soritra eo amin'ny fivelarana ara-tsainy ilay fikorontanana sy tsy fahatomombanana. Amin’ny ankapobeny dia miseho amin'ny alalan’ny olana ara-pifandraisana sy/na ara-pitenenana, amin'ny fahasarotan'ny fiaraha-miaina any anaty fiaraha-monina, amin’ny fanaovana na famerimberenanana fihetsika tsy mahazatra ary ny tsy fahazakana fiovana, ny fifefitena. Tsy mitovy ny olona rehetra mifefitena, fa samy manana ny maha-izy azy. « Misy ohatra ny « autiste » manam-pahaizana be ary havanana tanteraka amin'ny zavatra, na taranja, na sehatra iray. Misy kosa no mifanohitra tanteraka amin'izany », hoy ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Autisme Madagascar.
Afaka ny hahaleo tena sy hivoatra
Mbola mitohy ny fikarohana momba ny « troubles du spectre autistique » (TSA), fa hatreto aloha, mbola tsy misy fanafana izy ity, noho izy tsy sokajiana ho aretina. « Teraka autiste ny olona iray, ary maty autiste », hoy ny avy eo anivon’ny Autisme Madagascar. Na izany aza anefa, araka ny fanazavana hatrany, dia afaka miteraka fahaleovan-tena sy fampivoarana ho an'ny olona mifefitena ny fandraisana an-tanana azy ara-potoana sy araka ny tokony ho izy.
Lohahevitra nosafidiana maneran-tany, ho entina mankalaza ny andro maneran-tany ho fanentanana momba ny fifefitena amin’ity taona 2026 ity, ny hoe : « Fifefitena sy ny maha-olona : manan-danja ny aina tsirairay ». Izany lohahevitra izany dia manasongadina sy manamafy ny hasina sy ny lanjan’ny olona rehetra mifefitena, izay manan-danja ao anatin’ny fiarahamonina, ary afaka manorina hoavy iombonana, miaraka amin’ireo olona manana firafitry ny atidoha sokajiana ho ara-dalàna. Manamafy izany i António Guterres sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana : « Mila omena fahafahana hitantana ny hoaviny sy handray anjara amin'ny famolavolana ny hoavintsika iombonana ny olona mifefitena. Ny talenta ananany, ny fomba fijeriny ary ny fandraisany anjara dia harena ho an'izao tontolo izao ».




