Fikasana hamono ny filohan’ny Fanavaozana : Olona miisa 11 no nampidirina am-ponja vonjimaika
Olona miisa 13 no vorohirohy tamin’ny fikasana hamono ny kôlônely Randrianirina Michaël, filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara
Nanatanteraka tatitra ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga volohany Antananarivo, omaly 2 aprily 2026. Nisy tamin’ireo olona ireo no nampidirina am-ponja vonjimaika.
Adin’ny samy kôlônely
Notononin’ny tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny Fitsarana ambaratonga volohany Antananarivo, Rakotoniaina Narindra Navalona, tao anatin’ity raharaha ity, ny anaran’ny kôlônely Rakotomamonjy Patrick, izay notendrena hiandrikitra ny fitaleavana misahana ny fitarainana teo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara tamin’ny volana novambra 2025, saingy nesorina tsy hiandraikitra izany intsony tamin’ny volana janoary 2026. Araka ny fanambarana dia izy no isan’ny atidoha nikotrika ny fifofoana ny ain’ny filohan’ny Fanavozana, miaraka ammin’ny fanonganam-panjakana.
Nitsoaka ny trano fonenany, efa fotoana maromaro izao, ny kôlônely Rakotomamonjy Patrick, saingy mipoitra tsindraindray eny amin’ny tambajotra sôsialy eny ihany izy. Ny 1 aprily teo izao no namoahany horonany-tsary, izay milaza ny hanatanterahany valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, any Antsirabe, saingy tsy tontosa izany.
Paikady mitentina 20 miliara Ariary
Araka izany, namoahan’ny mpitsara mpanao famotorana didy mampisambotra ny kôlônely Rakotomamonjy Patrick sy ireo namany hafa, izay mbola karohina toa azy. Ny 11 isa tamin’ireo olona voarohirohy kosa no nampidirana am-ponja vonjimaika, mandrampiandry ny fitsarana azy ireo. Ny 31 martsa lasa teo moa ireo olona vompanga no nentina teo anatrehan’ny Fampanoavana, ary natolotra ny mpitsara mpanao famotorana. Fikasana hifofo ny ain’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, fidirana anaty fikambanan-jiolahy, fitazonana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna ary firaisana tsikombakomba no vesatra anenjehana azy rehetra. Voalaza ho iray amin’ireo mpiray tsikombakomba amin’izao raharaha izao ihany koa ny jeneraly iray, izay efa nidina an-dalam-be, naneho ny fahavononany hanao fanonganam-panjakana.
Araka ny fanazavan’ny tonia mpampanoa lalàna, Rakotoniaina Narindra Navalona, dia tratra nandritra ny fanadihadiana ny fifampiresahana tamin’ny alalan’ny someso sy ny hafatra miafina tany anaty WhatsApp nifanaovan’ireo voampanga. Etsy an-daniny, nisy tamin’ireo voampanga sasany no niaiky heloka, fa ny vola 20 miliara Ariary hita tao anaty kaontin’izy ireo dia nokasaina hampiasaina mba ho entina manatanteraka ny heloka. Rehefa nosavaina kosa ny tranon’izy ireo, dia voalaza fa nahitana vola sy fitaovm-piadiana maro.
Nandritra ny fihaonany tamin’ireo malagasy monina any Ginea Ekoatôrialy, herinandro lasa izay, no efa nilazan’ny kôlônely Randrianirina Michaël fa misy olona mikotrika ny famonoana azy mivady.




