• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jcc3
Image
Tantara

Moov Confidences : Misy Tromba aho, Fanahy Tsara fa tsy mpanimba

08/07/2024 21:38 © Moov

Ratsy foana no fiheveran'ny maro izany olona misy Tromba izany : olona mpamosavy, mpilalao ody, tsy mivavaka, sns. Misy ihany koa nefa ireo tromba mpanasoa olona ary tsy mitaky filalaovana ody mihitsy. Dimy taona izay no nampiantranoako fanahy tato anatiko. Afaka miaina toy ny olon-drehetra nefa aho satria antsoina ilay fanahy vao tonga.

Fizarana voalohany : Safidy madio

Teto amin'ny faritra avaratra no nahalatsahan'ny tavoniko sy nahalehibe ahy. Avy eto ny reniko, fa mpiavy avy any Antananarivo kosa ny reniko. Fianakaviana tsotsotra izahay : tsy hoe sahirana be nefa tsy mpanana ihany koa. Mianatra avokoa izahay ankizy na dia tsy dia mahasarika ny maro aza ny fianarana ety aminay. Samy mpivarotra ny ray aman-dreniko, ka mitazona tsena fivarotana enta-madinika sy kojakoja isan-karazany i dada, ary mpivarotra legioma eny an-tsena i neny. Telo mianadahy izahay no ray tampo, ka zaza faharoa aho. Tsy dia be havana izahay na eto na any amin'ny faritra hafa, satria toa hoe tsy nahazo tsodrano tamin'ny ray aman-dreniny avy i dada sy neny raha nanorina tokantrano. Tsy nisy olana mihitsy nefa na teo amin'izy mivady, na taminay zanaka. Samy efa manana ny anjara raharahany avy izahay. Malalaka rahateo ny fandaharam-potoana satria ny maraina ihany izahay no mianatra, ka afaka manao raharaha tsara ny tolakandro, mandrapahatongan'i dada sy neny.
Indray alina, tsinambolana tamin'izay, dia toa nisy aloka izany teo anoloako. Tsy taitra aho tamin'ny voalohany satria noheveriko fa fanaka na lamba sendra voataratry ny fanilo fandrehitray. Lasa fotsiny aho namonjy haingana ny latabatra fihinanana satria efa vory teo avokoa ny rehetra. Rehefa nanasa lovia nefa aho dia mbola niverina indray ilay aloka. Nanomboka natahotra aho ka tsy andriko ery izay namonjena ny efitrano fatorianay. Natory tsara aho aloha, nefa rehefa nisasaka ny alina dia tafafoha tampoka. Tsy tafahetsika nefa fa toa nisy nanindry izany. Fanina aho avy eo ka tsy nahatsiaro tena. Izay ihany no tadidiko, nefa rehefa nisokatra ny masoko ny maraina dia nanodidina ahy i dada sy neny, ary zoky sy zandry.
Gaga be aho nahita azy ireo nangovitra. Namihina ahy mafy i neny, ary nilaza fa saika maty hono aho. Nivoaka moramora avy eo i zoky sy zandry satria te hiresaka amiko manokana hono i dada sy neny. Voa mainka aho natahotra. Nilaza i dada fa toa ny nanofy aho, nitabataba be, ka nanaitra azy ireo. Nambarany tamiko ihany koa fa nitsangana nampirimpirina eraky ny trano aho no sady nimenomenona. Indraindray nitomany ary indraindray falifaly. Afaka noresahina tsara hono, nefa tsy izaho ilay niresaka fa olon-kafa mihitsy. Tsy feoko izany no ren'izy ireo fa feona ramatoabe efa 60 taona no miakatra. Rehefa nandeha teo ny dinika dia azon'i neny antoka hono fa "misy fanahy te hipetraka" ato amiko. Nitomany sy nidradradradra mafy aho hoe nahoana no tonga amiko izany. Izahay mianakavikely nefa mpamonjy fiangonana isan'alahady, ary mivavaka foana na maraina na hariva na mialoha ny sakafo. Nisavorovoro ny lohako ka tsy navela nianatra aho. Nahatsiaro reraka ihany koa aho ka nikarakarana lasopy mafana tsara.
Tsy tapitra teo ny resaka satria rehefa nahazo aina kely aho dia nentin'i dada namonjy olona iray izay. Mpitaiza izy io raha ny fahazoako azy, sady misy tromba ihany koa. Trano falafa kely mila hiongana no nidiranay. Vao tafiditra izahay dia izaho no nataon'ilay ramatoa tsara jery. Notantarain'i dada avokoa ny zava-nitranga. Niantsoantso izany ilay ramatoa avy eo ka nivadika ho lehilahy ny feony. Nanazava izay nanjo ahy izy, ka tena nitombina ilay tenin'i neny hoe misy fanahy te hipetraka ato amiko. Nolazaina ahy nefa fa fanahy tsara ilay te hipetraka amiko, ary tsy iza izany fa ny rahavavin-drenin'i neny, izay tena nitaiza an'i neny fahakeliny. Mpanao asa soa sy mpitsabo io ramatoabe io fahavelony, ary tsy mahay mamorika na manisy ratsy olona. Nomena safidy malalaka nefa aho na handray azy na tsia.

Fizarana faharoa : Safidy mahasoa

Adiny telo na efatra teo ho eo no laninay sy dada tao amin'ilay ramatoa nisy tromba. Laninay tao aminy mantsy ny tapak'andro hariva. Efa somary maizina izahay vao niditra tao an-trano. I neny sy ireo iray tampo amiko efa niandry anay sady te haheno vaovao. Nohanina nefa aloha ny sakafo hariva, ka izahay telo mianaka ihany no nidinika.
Nipatrapatraka ny ranomason'i neny. Voafidy manokana hono aho, satria mba naniry ny tenany ny hidiran'ny fanahin'io totoany io tao aminy. Marobe mantsy hono ny fianakavian'izy ireo misy tromba. Nanazava tamiko teo i neny fa hitondra vintana tsara ho ahy ny fanekena ilay fanahy. Azoko atao ihany koa nefa ny mandà. Tsy voatery hijanona amin'ny fivavahana aho, nefa tsy ho azoko atao kosa ny miantso mpiandry na olom-piangonana hanala ilay fanahy raha sendra tsy mety amiko intsony any aoriana any. Miaraka amiko mandra-maty izany ilay fanahy. Izaho ihany nefa hono no tompon'ny vatako sy ny fanapahan-kevitra rehetra ka rehefa miantso azy ihany aho vao tonga izy. Tsy tompon'ny tenako kosa nefa aho rehefa mihetsika ilay tromba : miova na ny feoko, na ny fitafiko, na ny fanaoko na ny fihinako sy fisotroko, mandrapahatapitry ny ilàny ahy. Tsy ho lasa mpitaiza akory aho fa afaka manampy olona tsara amin'ny fotoana ilàna azy.
Nasaina natory aho avy eo. Tsy nahita tory nefa fa lasa ny saiko hoe sao hanaiky hidiran-demony àry izaho ity. Ny tena nahagaga ahy dia tsy navelan'i neny hiantso an'i pasiteranay mihitsy aho. Tsy azo lazalazaina amin'olona mantsy hono izany, indrindra fa mbola tsy vita ny fomba. Tamin'iny alina iny indray aho dia fanimpanina, saingy nahatsiaro tena hatrany aloha. Tazako tao an-dakozia ihany koa ilay aloka talohan'ny namonjeko ny efitrano fandriako. Nampiomana ahy dada sy neny fa mila mandray fanapahan-kevitra hono aho, satria mila miroso amin'ny fomba, na hanaiky aho na handà. Toa nisy hery nandresy lahatra ahy hanaiky tato anatiko, na dia natahotra ihany aza aho. Naniry ny mba hahazo fahasoavana aho satria tsy dia nahay be tahaka an'i zoky na manana talenta manokana na tsara tarehy. Ety aminay rahateo tsy misy hoe tafita lavitra amin'ny fianarana ka miasa birao. Asa madinika sy mifandraika amin'ny fambolena sy ny jono no maro mpanao. 15 taona aho tamin'izany, kilasy faha-4 teny amin'ny CEG.
Tapaka ny hevitro fa hanaiky aho, nodinihiko ambony ambany avokoa mantsy izay toro rehetra voaraiko. Natao ny fomba ka nisy zavatra maromaro nilaina toy ny lambahoany, akoholahy menavolo sy toaka. Nila rano nalaina teny an-dohasaha fangalan'ny mpanjaka rano fahiny ihany koa. Vizana tanteraka aho satria nihetsika tromba nandritra ny adiny dimy teo ho eo. Nambaran'i neny fa nisotro toaka sy nifoka sigara aho nandritra ilay lanonana, nefa tsy mamo akory aho na domelina. Nambara ahy fa afaka mitsabo olona aho, nefa tsy atao fitadiavam-bola izany fa hanasoavana ny mpiara-belona. Mpilaza hafatra ihany koa aho, rehefa tsindrian'ilay fanahy amin'ny alalan'ny nofy. Nalaza teo an-tanàna hoe nandova an'i Totoa Reva aho, saingy tsy naha-ratsy endrika ahy teo imason'ny fiaraha-monina izany, fa voa maika aza nanajan'izy ireo ahy. Tsy azo afenina kosa nefa fa nisy ireo mpiara-mivavaka no nanenjika ahy, ary nandresy lahatra ny amin'ny hamonjeko mpanala devoly. Nandritra izay dimy taona izay dia efa maro ireo olona nisitraka fanampiana tamiko, na kely na lehibe, na ireo mpivavaka na ireo mpandala fomban-drazana. Tsy mandray olona te hamosavy na hamingana namana kosa aho, na manambitamby volabe aza. Na tsy mangataka amin'ireo olona raisiko mihitsy aza aho, nahazo vola tokoa izahay ka namboarina manontolo ny trano ipetrahanay.
Matetika dia mandray zava-mahadomelina aho, misarita-bolo, mihira be, mikakaka, mitomany, mivandravandra rehefa mihetsika tromba. Tsy tompon'ny tenako moa aho isaky ny indramin'ilay fanahy ny vatako. Ny hajejoan'ilay ramatoabe mpiditra amiko kosa dia toa lasa natiorako faharoa amin'ny fiainako andavan'andro. Ireo manodidina ahy no mitantara, nefa tsy afaka maka sary satria tsy fomba hono izany. Tsy dia tena nahasarika ahy firy intsony nefa ny fivavahana. Indraindray aho sisa vao miditra am-piangonana satria sady manenjika ny fianarana, ny raharaha ao an-trano sy ny fanasoavana olona. Tsy tiako rahateo ny miady hevitra amin'olona izay manaratsy ny fananako tromba ka mitsaratsara ahy fahatany. Roapolo taona aho izao. Toa ny olona rehetra ihany, saingy manana fanomezam-pahasoavana manokana. Marihako fa tsy mbola nitarika na nanery ahy hilalao ody, hanitsa-pasana na hanao sorona ny fanahin'i Totoa Reva.

Lire la suite

Articles Similaires